Actualités

Tolagnaro Mpizahatany nahiahiana ho «mercenaires»


  • Zoma 02 Aprily 2010

Naelin’ny mpomba ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny feo fa nisy mpikaramanady handrodana ny fitondran’i Andry Rajoelina, nifangaro tamin’ireo mpizahatany maro be tonga tao Tolagnaro ny alahady 28 martsa teo, nentin’ny sambo MSC Sinfonia, niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala.

Nisy 1664 ireo mpizahatany nentin’ity sambo be ity, teratany Afrikanina Tatsimo ny androatokon’izy ireo, miampy tantsambo miisa 721 ka mora ho an’ny mpomba ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny niahiahy sao misy mpikaramanady ao, satria angamba noho izy ireo avy any amin’ny tany maha sesitany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nandiso izany vaovao izany ny Minisitry ny fizahantany, Andréas Irène izay zanaky ny Faritra rahateo. Nanazava izy fa hentitra ny fisavana ny olona mivoaka sy ny miditra ny sambo toy itony, na izy tenany aza, araka ny nambarany, dia nisy fotoana nitsidihana ity sambo ity, ka na ny mpiambina azy aza tsy afaka mitondra basy miditra tao, ka sarotra ny hisiana «mercenaire» hiditra anaty sambo. Nisy ihany koa, hoy izy ny fanamarinana ny isan’ny olona nivoaka ny sambo sy ny niditra ny sambo, hilazana fa hentitra ny fiarovana ary ry zareo Israelianina no miasahana izany ho an’ity sambo ity, ny Israelianina izay hentitra tokoa amin’io resaka fiarovana io. Ny zava-doza ary tsy maintsy notandremana mafy dia tsy hisy mpizahatany voaendaka, na hanafika nandritra ny fotoana nahatongavan’izy ireo teto, fa vao mainka haharatsy laza an’i Madagasikara, raha tsy izany no nitranga.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT