Actualités

Tolagnaro Diso fanantenana ny mponina


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Tsy mitsahatra ny miakatra sy miha lafo ny vidim-piainana ao an-tampon-tanànan’i Tolagnaro araka ny filazan’ny mponina any an-toerana. Maro, araka izany, ny olona diso fanantenana amin’ny fitondrana tetezamita. Tamin’ny herintaona tahaka izao mantsy dia maro ny tao Tolagnaro no nanohana ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina ary nanantena fa rehefa mirodana ny fitondrana Ravalomanana dia hihatsara ny fiainana. Tsy izany mihitsy anefa ny zava-mitranga ankehitriny fa mihalafo ny fiainana, mitombo ny tsy fandriampahalemana. Araka ny fampitam-baovao voaray dia mitombo koa ny tsy an’asa. Toy ny nitranga tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy dia niroso amin’ny fanaovana «chômage technique  ihany koa ireo orinasa any an-toerana na ny orinasa madinika io na ny orinasa goavana. Amin’ny ankapobeny dia miandrandra ny hiverenan’ny fifampiresahana eo amin’ireo ankolafy politika mifandrirotra ka nahatonga izao krizy izao ny mponin’i Tolagnaro. Tsy misy afa tsy izay ihany mantsy no ahitana ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana ilaina amin’ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana. Eo amin’ny fihetsiketsehana politika kosa indray, dia fantatra fa tsy dia ahitana izany firy any an-toerana, na izany aza dia manaraka akaiky ny fizotry ny toe-draharaha politika sy nyfiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ny mponina ao Tolagnaro.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT