Nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana nokarakarain’ny FFKM tao amin’ny EKAR Notre Dame de Lourdes Toamasina ny fankalazana ny faha-63 taonan’ny tolom-panafahana an’i Madagasikara, ho an’ny faritra Atsinanana.
Taorian’izay ny fitanjozorana nihazo ny tsangambaton’ny mahery fo manakaiky ny fasam-bahiny Anjoma. Nisantarana ny lanonana ny fanolorana mari-boninahitra “La liberation nationale” izay mitovy lenta amin’ny Chevalier de l’ordre national Malagasy, tamina tia tanindrazana telo, dia i Feno François, Volamasy ary Faramana. Ity farany ihany no tonga nandray ny mari-boninahany tamin’ny alalan’ny lehiben’ny distrika Toamasina I. Ny didim-panjakana laharana 2010-116 ny 09 martsa 2010 no mamaritra izany.
Hentitra sy nivantana ny lahateny nataon’Atoa Tody, filohan’ny tia tanindrazana ao Toamasina. Nambarany fa “tsy miarina fa vao mainka lavo mitsilany i Madagasikara. Nandrora mitsilany ny Malagasy ka nihosina ny nataony ihany. Nambarany hatrany koa fa “mitomany i Madagasikara, mitaraina ny tany ; mahavelona tsara ny eto amintsika fa ny finiavan’ny tanora hiasa ho an’ny tanindrazany no tsy misy ka ataon’ny vahiny fitaovana sy filana any ampitan-dranomasina fotsiny. Mambole! Herintaona ihany mijaly fa aorian’izay ho velona ny taranaka sy ny Malagasy manontolo”. Nomarihan’Atoa Tody hatrany fa “tena adino ary tsy noraharahaina ny mpitolon’ny fahafahana tamin’ity taona ity, na fanampiana kely fanaon’ireo mpitondra nifandimby hatramin’izay tsy nisy, ny tambin-karama kely efa hijaliana ny fahazoana azy koa aza tsy tonga sy tsy mbola azo hatramin’izao”.
Amin’ny maha raiamandreny azy ireo anefa, tsy adinon’izy ireo ny nitondra anatra sy hafatra ho an’ny Malagasy rehetra. Ho an’ny tanora dia nambaran’ny filohan’ny 47 Toamasina fa “mitsangana ry tanora sy mijoroa ho tena lehilahy sy vehivavy ; aza manaiky atao fitaovana politika handavoana firenena, fa zary ho tohatra fiakaran’ny mpanao politika variana amin’ny tombontsoany sy ny mpanjanaka manarama azy ireny fotsiny. Mizora amin’ny lalana madio, hitodio hatrany ny tantara”. Nahazo ny anjarany koa ny mpanao politika, izay nilazan’ireto mpitolona ireto fa “aoka izay ny filazana tsy filana raiamandreny fa mahavita tena”. Ny hafatra ho an’ny mpitondra fanjakana moa dia nahitsy ireto tapa-porohana sisa tsy may ireto nanambara fa “tanteraho ny teny natao sy nifanomezana ary efa nekena, fa ny biby aza izao no mifankatia kokoa noho ny olombelona amin’izao tsy fisian’ny filaminana sy fandriamapahalemana izao. Miha ratsy ny fiaraha-monina vokatry ny politika sy ny fanaovana ny kely mba mamindro ary ny tsy fanajana ny hevitry ny hafa na fanakanana ny hafa hiteny”.
Ho fanampiana ireo mpitolona 1947 Toamasina ireo, dia nanolotra vary iray taonina sy omby iray ny Ben’ny tanàna, Dr Rakotomanana Gervais sy ny ekipany. Nisy koa taranaka mpitolona nanolotra vary roa gony ho azy ireo. 66 ireo mpikambana eo anivon’ny mpitolom-panafahana ankehitriny, ka ny 40 mipetraka ao Toamasina I, ny 26 kosa any amin’ny distrika ny Toamasina II. Nanadino ireo mpitolona tao amin’ny faritra hiadidiany i Alain Mahavimbina nandritra ny fankalazana ny fah-63 taona ny tolom-panafahana, nisafidy an’i Moramanga ny tenany araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny faritra fa “zava-dehibe amin’ny lehiben’ny faritra ny fankalazana ao Moramanga noho izy fankalazana nasionaly”. Herintaona lasa anefa tsy mbola lehiben’ny faritra Alain Mahavimbina, dia teo anilan’i Julien Andriamorasata, lehiben’ny faritra tamin’izay, nanatitra fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato ny mahery fon’ny Faritra Atsinanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.