Actualités

Toamasina Nisy nampitonantonana ny FAT


  • Zoma 16 Aprily 2010


Sambo efatra no tsy afa-nihetsika tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ary kaontenera miisa 130 be izao misy entana efa vonona haondrana no nihitsoka vokatry ny fampiharana ny naoty navoakan’ny FAT. Nandeha mantsy ny feo fa misy manondrana «bois de rose» an-tsokosoko, ary manafina izany any anaty entana. Nidina maika tany mihitsy i Camille Vital vantany vao vita ny famindram-pitantanana nandraisany ny asan’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena tamin’ny jeneraly Rakotonandrasana Noël. Niara-dia taminy ny minisitry ny vola, Rajaonarimampianina Hery, ny minisitry ny tontolo iainana, ny jeneraly Randriamiandrisoa Calixte nanara-maso ny zava-misy tao amin’ny seranan-tsambo. Tapitra nosavaina avokoa ny kaontenera rehetra efa vonona haondrana fa tsy nahitana na inona na inona fa dia lamban’ny «Zone» sy vato ary voly fanondrana toy ny jirofo hita no tao. Koa iza ary no nanome vaovao diso ny FAT, no dia mampitonantonana tompon’andraikitra toy izany ? Omaly ihany dia nihazo an’i Maroantsetra ary hipaka hatrany SAVA ny dian’ireto delegasiona ireto. Etsy ankilany dia mitohy ny fanondranana entana, ankoatra ireo kaontenera misy “bois de rose” miisa 91 nogiazan’ny FAT efa ho enim-bolana izao. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT