Actualités

Toamasina Nifanafika tamin’ny antsy sy kobay ny mpianatra


  • Talata 16 Martsa 2010

Tranga hafa tsy mbola niseho teo anivon’ny sekoly tao Toamasina ny niseho ny alakamisy teo tany an-toerana.

Nisy mantsy ny fifanafihana tamin’ny alalan’ny antsy lava sy kobay teo amin’ny mpianatry ny Ceg Radama sy ny Prime Rose, sekoly tsy miankina iray ao Morarano. Araka ny fanazavan’ny polisin’ny FIP izay nisahana ny fandaminana ny raharaha dia resaka lalao baolina no niandohan’ny olana. Resy tamin’ilay lalao ity sekoly tsy miankina ity ka tsy nahazaka izany noho ny teny mahery nifanaovana sy resaka hambom-po amin’ny maha samy tanora ihany koa ny mpilalao. Nitatra zavatra hafa anefa ny raharaha ka izao niafara tamin’ny saika fifamonoana izao. Vokany, voatery nisambotra ny FIP mba handaminana ny disadisa teo amin’ireo mpianatra, ka mpianatra roa no voasambotra tamin’izany, izay nanaovan’ny polisy fanadihadiana ny antony nitondran’izy ireo antsy lava sy kibay izao. Ireo mpianatra roa voasambotra ireo no nanoro ny atidoha nitaona sy nampirisika azy ireo tamin’izany. Mitohy ny fanadihadiana sy fananarana azy ireo tsy hamerina izao toetra tsy mendrika izao intsony. Fa polisy iray tsy nitonona anarana ity, nahita ny fandehan-javatra ary nanelanelanana tamin’izao raharaha izao, no nilaza fa nisy ambadika ity raharaha ity. Soa fa voasoroka mialoha, hoy izy. Vazivazy moa no nataon’ny olona nandalo nahita izao raharaha izao hoe : “iza no nampianatra ny tanora ho mahery setra tahaka izao ? Ny zavatra hitany herintaona izao dia efa lesona azon’ny tanora alaina tahaka, ny fandoroana sy fanimbana fananan’olona tsy tian’ny tena sy soketaina fa izatsy na izaroa. Natao angoan-tenda teto koa anie ny fahalalana ratsy ho azy ireo e! Tsy mahagaga raha tonga amin’izao ny tanora mpianatra Malagasy. Tsy maniry ny hitohizany fa ny firenena no hanana ho avy ratsy raha toy izao avokoa no hitranga eto”. Trafon-kena home-mahery ny zava-nitranga tao Toamasina ny alakamisy teo, ka am-bava homana, am-po mieritreritra ho an’ny olona tsirairay, ny mpanabe, ary ny ray aman-dreny. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT