Actualités

Toamasina : Ho avy indray ny «Hopitaly tsy misy Dokotera»


  • Alarobia 31 Martsa 2010

«Tsy iny didim-panjakana natao sonia maimaika iny no nifanarahana tamin’ny praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana, noho izany tsipahanay marin-drano».

Izay no teny nataona mpitsabo namoaka ny heviny nilazany ny tandrametaka sy famonoana afo fotsiny ny hetsiky ny mpitsabo malagasy mitaky ny tombontsoany sy ny valin-kasasarany mifanaraka amin’ny fianarana nataony. Fantatra ary izao fa hanomana hetsika «hopitaly tsy misy dokotera» ny dokoteram-panjakana mivondrona ao Toamasina. Izany no hatao hoy ireo dokotera nanontaniana dia «hanamafisana ny fitakiana manoloana ny fizirizirian’ny minisitera tsy te-hiaino ny mpitsabo mitaraina». Ny fanazavana nomen’ireo dokotera mantsy, dia tsy nifanaraka tamin’ny fangatahana sy efa nifampiresahana tamin’ny praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana ny valin’ny fangatahana rehetra, fa natao tefy maika fotsiny mba hitsaharan’ny fitokonana. Raha ny fangatahana mantsy dia 2.000 ny mari-karama tokony ho karaman’ny mpitsabom-panjakana raha ny fianarana natao no hikajiana azy, nefa tsy nisy afa-tsy 1.600 no nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny herinandro nivalona iny.

An-danin’izay dia mitohy ary mbola mitaky ny azy koa ny Paramed amin’ny famoahana ny sata manokana ho azy ireo sy ny fijerena manokana ihany koa ny mari-karamany. Raha ny lalàn’ny asa dia sokajy faha-5 no tokony hisy azy ireo, araka ny lalàna ihany dia 200 isaky ny sokajy no tokony ho elanelana eo amin’ny mpiasam-panjakana, izany hoe raha 2.000 ny an’ny mpitsabo dia tokony ho 1.600 ny an’ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona. Tsy mivaly ny fangatahan’izy ireo ka dia mitohy ny fitokonana. Tsy miaraka amin’ny mpitsabo anefa ny Paramed, fa manana ny azy manokana, ka ny resaka fandidiana sy ny momba ny zaza ary ny reny hiteraka ka saro-piterahana ihany no voalaza hanampiany ny dokotera.
 
Hitombo izany ny olana sedrain’ireo marary eny anivon’ny hopitaly ao Toamasina. Ankoatra ny olana sedrain’ny hopitaly be ny fahasimban’ny gropy iray fiatrehana ny delestazy dia hiditra koa ny hopitaly tsy hisy mpitsabo. Nitera-doza mihitsy ity fahasimbana gropy ity nitarika fahafatesana zaza hafa indray ny alakamisy lasa teo. Misy zaza marary miaina amin’ny oksyzena, nefa sady tsy nandeha ny gropy no tapaka ny herinaratra ka namoy ny ainy vokatry ny fahasemporana ilay zaza. Tsy misy mpiahy ara-tsakafo ny vahoaka, tsy misy mpiahy ara-pilaminana ary tsy misy mpiahy ara-pahasalamana koa ankehitriny.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT