Actualités

Toamasina Balan’ny tafika Malagasy no ampiasain’ny jiolahy


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Ny sabotsy 17 aprily tokony ho tamin’ny 10 ora alina latsaka, dia mpivarotra zava-pisotro misy alikola iray tao Tanamakoa no notafihana andiana jiolahy nirongo kalachnikov izay manana ny bala laharana 31/75 miloko maitso mainty. Lasa tamin’izany ny vola maty ny tontolo andro mitentina 2,5 tapitrisa ariary. Araka ny filazan’ny tompon’ilay trano fisotroana dia in-dimy nipoaka ny basy tamin’ny fanafihana nataon’ireto jiolahy ireto, nisy ihany koa ny naratra vokatra izany, izay nahafeno ra ny trano tamin’ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny FIP nampian’ny avy amin’ny Commissariat Central. Efa misy ny lalàna navoakan’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina amin’ny tsy fahazoana misokatra mihoatra ny amin’ny 10 ora alina ho an’ireo trano fisotroana, nefa teo am-piandrasana ny fotoana hikatonana iny indrindra no tonga ny jiolahy nanafika ity trano fisotroana tao Tanamakoa Toamasina ity. Afaka nandositra ireto jiolahy mitam-piadiana ireto. Moto no nentiny araka ny filazan’ireo nahita ny fandehan’ny fanafihana nataon’izy ireo. Raha mikasika ity bala miparitaka fanaovana fanafihana ity, dia ny vaovao nangonina no nahalalana fa an’ny tafika Malagasy izy ity, fa ny fotoana tena nivoahany sy ny mpamoaka azy no mbola ankamantatra hatramin’izao.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT