Feno 7 taona amin’ity 2010 no nandroahana ireo mpiasa 1200 tao amin’ny orinasa Telma sy 1300 mahery tao amin’ny Rncfm vokatry ny fisintahan’ny fanjakana ny fitantanana ny orinasam-panjakana ka namindrana izany amin’ny sehatra tsy miankina.
Mbola miandrandra hatrany ny zo sy tombontsoany ireo mpiasa ireo ankehitriny. Nisy hatrany ny fifampiresahana tamin’ny mpitondra nifandimby saingy tsy nahitan’izy ireo mangirana izany hatramin’izao. Maro anefa ireo efa namoy ny ainy izay efa mahatratra 100 raha ho an’ireo mpiasan’ny lalamby fotsiny. Ny tambin-karama vokatry ny fampitsaharana amin’ny asa no mba hany zo azon’izy ireo mpiasa fahiny tao amin’ny Rncfm tamin’ny taona 2003 raha mbola ady mafy kosa ny resaka fisotroan-dronono. Manomana ny antontan-taratasy entina manamafy ny fangatahana izay mety ho tombontsoany eny anivon’ny fitondram-panjakana indrindra ny komity mpandrindra ankehitriny araka ny nambaran’i Albert Ranaivoson, mpiasa fahiny tao amin’ny Rncfm. Sarotra anefa ny fandidiana satria tsy mahafeno ny fepetra takian’ny Cnaps sy ny Crcm ny ankamaroan’ireo mpiasa voaroaka tamin’ity orinasa ity. Izay nahavita 15 taona no ho mihoatra teo anivon’ny toeram-piasany ihany mantsy no mahazo fisotroan-dronono ary raha latsaky ny 45 taona ilay mpiasa tamin’ny fotoana nandroahana azy dia miala maina ihany koa izy araka ny fepetra mifehy ny Crcm. “Hany sisa ianteherana dia ny famerenan’ny Cnaps ny latsakemboka nandritra ny fotoam-piasana raha sanatria tsy tafavoaka mihitsy ny fangatahana fisotroan-dronono” hoy i Albert Ranaivoson. Marihina fa ireo mpiasa tamin’ny zotra avaratra izany hoe ny mampitohy an’Antananarivo Toamasina, Antananarivo Antsirabe ary Moramanga Lac Alaotra no voakasik’io fandroahana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.