Rehefa voadaka tsy ho praiminisitra intsony i Monja Roindefo dia manjary manao fanambarana hafahafa etsy sy eroa, indrindra ny antoko Monima misy azy.
Fa iza moa no nanohana an’i Andry Tgv tamin’iny fanonganam-panjakana nataony tamin’ny 17 martsa 2009 iny ? Tsy ianao ve ry Monja Roindefo ? Iza no nitarika ny vahoaka teny Ambohitsorohitra, na dia fantatrao aza fa faritra mena io toerana io ? Ka nahoana no fe ankehitriny ianao no toa miseho indray ho “mpanohitra” an’i TGV ? Aza rebirebena ny vahoaka fa betsaka ny mahafantatra tsara ny politikanao miovaova sy mivadibadika. Izahay dia mino tanteraka fa raha mbola praiminisitra teo ianao, dia tsy hampiseho izao fihetsika ahafantarana anao izao. Resaka seza no tena fototry ny politikanao sy ny Monima ka rehefa tsy nahazo seza intsony ianao, dia be resaka etsy sy eroa. Ny vahoaka anefa tsy bado daholo akory, sanatria, fa mahafantatra sy mahay manavaka tsara ny marina. Tsy nisy izao fitondrana hafahafa izao raha tsy teo ianao niara-nanangana azy. Tsy tonga tamin’izao toeran-tsarotra sy mampalahelo izao ny firenena, raha tsy teo ianao nanampy an’i Andry Tgv. Aza miala andraikitra tompoko fa ny tantara no hitsara. Aza manadio tena etsy sy eroa, fa fantatry ny olona tsara ny vary sy ny tsiparifary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.