Actualités

Taratasin’ny mpamaky Fero faran’izay kely ny karaman’ny mpitondra


  • Alarobia 07 Aprily 2010


Nahita tamin’ny gazety iray izahay, milazalaza ny karama sy ny tombontsoa tsy hita pesipesenina omena isam-bolana ny mpikambana ao amin’ny HAT. Vola sesehena, tombontsoa maro ary angamba aza mety hahatsangana trano misy rihana telo na efatra izy ireo ao anatin’ny efa-bolana fotsiny. Koa tsy mahagaga velively raha mikiribiby tsy mety miala amin’ny toerany izy rehetra ary dia mampirisika an’i Andry TGV hitsipaka hatrany ny Satan’i Maputo sy ny fanekena tovana natao tany Addis Abeba. Mino izy rehetra fa tsy hahita tombontsoa sy karamabe toy izao, mandra-pahatapitry ny androny. Ny firenena anefa ity, noho ny nataon-dry zareo ireo ihany, miha mahantra andro aman’alina, ny vahoaka sahiran-tsaina sy mitebiteby isan’andro. Ka dia maneho hevitra izahay.

Aoka re hoferana faran’izay kely mihitsy ny karaman’ny olom-boafidy amin’ny manaraka, na depiote io na senatera, eny, fa na hatramin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ary ny minisitra rehetra miaraka aminy koa aza, na koa ireo filohan’ny andrim-panjakana samihafa.
Diso ve izahay raha manome ohatra toy izao: filohan’ny repoblika : 10 tapitrisa Ariary, praiminisitra sy filohan’ny andrim-panjakana : 7 tapitrisa Ariary, minisitra : 5 tapitrisa Ariary, depiote sy senatera: 3 tapitrisa Ariary. Ferana koa tsy ho betsaka ny isan’izy ireo, toy izao: minisitra : 20, depiote: 80 ary senatera : 50. Ary raha vao mandray ny andraikiny izy dia tsy maintsy manao fanambaram-pananana. Ny hevitra tompoko tera-bary ka dia tsy misalasala izahay mba mamoaka izao hevitray izao.
 
Lilian

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT