Actualités

Tapatapany


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Nidoboka : Nisy fipoahan-javatra mahery vaika re hatreny Mahamasina, Antaninarenina, Ampatsakana ary Anosy sy ny manodidina iny omaly hariva tokony ho tamin’ny sivy alina sy folo teo. Teny Amparibe misy ny trano fonenan’ny Minisitry ny fitsarana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no nisehoany azy, araka ny fampitam-baovaon’ny namana mpanao gazety tonga teny an-toerana raha vao nandre ny fipoahana. Vaky ny ankamaroan’ny fitaratry ny trano. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra. 

Fanadiovana : Nisavorovoro ny tao Moramanga omaly raha niroso tamin’ny fanalana ny mpivarotra amoron-dalana mihazo ny kianja filalaovam-baolina ny Koaminina. Mahatsiaro anefa ny mpivarotra fa misy ny fanavakavahana satria misy amin’ireo mpivarotra no esorina, misy anefa mijanona amin’ny toerany.
 
Mpitatitra Sambava : Mitaky ny hampakatra ny saran-dalana ny mpitatitra (taxi be) ao Sambava tampon-tanàna. Raha 300 Ar izy izao dia takian’izy ireo hakarina 500 Ar. Mahatsapa ireto mpitatitra fa miakatra izay tsy izy ny solika, nefa ny isan’ny toerana ao anatin’ny fiara tsy mitombo, ary ny vidin’ny kojakoka tsy midina. Tsy eken’ny manampahefana any an-toerana anefa izany ka dia nitokona sy nidina an-dalambe izy ireo.
 
Fifidianana : nanamafy ny filohan’ny CENI, Rakotomanana Heriniaina, fa ho fantatra ato anatin’ny andro vitsivitsy ny datin’ny fifidianana. Mialoha izany dia hivory ka hihiboka ny mpikambana ao amin’ny CENI ny alakamisy sy zoma izao, hanamasaka ny fifehezana ireo lalàna sy rinjan-teny samihafa mikasika ny fifidianana.
 
Fitsarana : Enim-bolana an-tranomaizina, sazy mihatra, no didy navoakan’ny fitsarana ho an’ireo 2 lahy mpiasa teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra dia Rianala Nomenjanahary sy Andrianasoloniaina Fidiniriana. Tsy afa-po amin’izao didim-pitsarana izao moa ny mpisolo vava ka nilaza fa haka ny fepera rehetra.
 
Otrikafo : Mila miray hina, hoy Rajaonah Andrianjaka tsy hanekena ny fanjanahantanin’i Frantsa vaovao indray.
 
DHD Madagasikara : manambara ity antoko ity fa manohitra izay rehetra mety ho endrika fanonganam-panjakana.
 
Main-tany : Tsy misy ny orana, maina kiana tanteraka ny tany any amin’ny distrikan’Ihosy. Tsy misy azo antenaina ireo vokatra legioma, ahiana ihany koa ny ahafatesan’ireo biby fiompy, izay fototry ny fiveloman’ny mponina.
 
Maloto : Miangona be ny fako ary mamoaka etona manempotra ao Mahajanga tampon-tanàna. Mifamezivezy manerana ny tanàna ny voalavo noho izany.
 
Tobin-tsolika : Tazana nivezivezy teto an-drenivohitra nanomboka omaly ireo fiara 4X4 mitondra mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana. Tafiditra ao anatin’ny fepetra ho fiarovana ireo tobin-tsolika amin’ny mpanao asa fampihorohoroana izany.
 
Andry Rajoelina : Mbola marisika ny hiatrika ny fihaonan’ny filohan’ny ankolafy 4 any Johannesburg ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina na dia teo aza ireo tranga maro samihafa niseho tato ho ato izay.
 
 
Johannesbourg : Ho avy hanatrika ny fivoriana any Johannesbourg Afrika Atsimo amin’ny 28 aprily ho avy izao ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny profesora Zafy Albert.
 
Fanampiana : Nanolotra vola mitentina valo tapitrisa ariary ny oniversiten’i Toamasina mba hanamboarana ny kianja filalaovana baolina kitra sy basket-ball ny minisiteran’ny fampianarana ambony.
 
Nangonin’i Soa sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT