Actualités

Tapatapany


  • Talata 20 Aprily 2010


Tsy milamina : Niaiky ny nyjeneraly Ndrianarijaona André mpitarika ny CEMGAM, taorian’ny fikasana ny haka ny lapan’i Mahazoarivo fa misy zavatra tsy milamina eo anivon’ny foloalindahy. Nilaza moa izy fa tsy maintsy hojerena akaiky ny momba izany ary ho hentitra ny fepetra horaisina ho an’ireo miaramila mandika ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana. Nambaran’ity lehiben’ny etamazaoro ity fa mampalahelo ny fahitana miaramila manana fitaovam-piadiana mieritreritra hanafika lapa ary mivonona ny hitifitra ny miaramila mitovy aminy. 

Natomboka : Omaly no natomboka ny asa tamin’ny alalan’ny fandrarahana DTT sy “hipoclorite de Calcium” manerana an’Ankatso 2. Hitatra eny Ankatso 1 izany mandritra ny folo andro anatanterahana ny hetsika. Ankoatra io fandrarahana fanafody io dia hesorina avokoa ireo lobolobo ary hametrahana totam-boalavo koa eny an-toerana. Zato no efa tafapetraka nandritra ny andro voalohany omaly.
 
Fitsarana : Hivoaka anio ny didim-pitsarana mikasika ireo lehiben’ny tsena roalahy teo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Nosamborina teny Analakely ny 31 martsa 2010 izy ireo, nampangaina ho nizara vola, nizara trakta ary nanakarama ireo antsoina hoe ‘gros bras’. Ny 1 aprily no teny amin’ny fampanoavana izy reo, nolavina hatrany moa ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava azy ireo. Ny 8 aprily moa no niakatra Fitsarana ity raharaha ity ary dia anio no mety hamantarana izay didim-pitsarana.
 
Savoritaka : Tsy misy vahaolana afa tsy ny Maputo sy Addis Abeba ihany. Ivelan’izay dia hisy ady savoritaka eto, hoy ny filohan’ny CDE, Serge Zafimahova. Anjarantsika ny manavaka ireo mpikarama an’ady politika mpamadika palitao, hoy ihany izy.
 
Tsy misy vola : Efa 22 volana izao no tsy nahazo karama ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Morondava. Nilaza moa ny Ben’ny tanàna fa noho ny tsy fisian’ny vola no nahatonga izany. Araka ny vaovao dia 20% ihany ny fampidiran-ketra ao amin’ity kominina ity.
 
Hanidy trano : Miely ny feo fa hanidy trano tsy hiasa ny mpiasan’ny kaominina Manakara amin’ity Talata 20 aprily 2010 ity. Nivory nandinika izany ny mpiasa omaly, ka tsy mankasitraka ny hanatanterahana izany fitokonana izany ny maro an’isa, roapolo teo raha betsaka amin’ny mpiasa valopolo mahery ao amin’ny kaominina no misisika. Tsy nanda ny mpiara-miasa fa raha te hitokona izy ireo, dia mahazo mankao amin’ny kianjan’ny demokrasia.
 
Toliara : hanao loabary an-dasy ny ankolafy telo any Toliara. Anisan’ny hodinihana amin’izany ny resaka fifidianana, ohatra ny lalam-pifidianana.
 
Jeneraly Raoelina : anisan’ny voatonontonona ho atidoha mikotrika ireo fanonganam-panjakana nahoraka tato ho ato ny jeneraly Raoelina izay lehiben’ny fiarovana ny filoha Ravalomanana tamin’ny fiandohan’ny krizy ny taona 2009. Vatan-dehilahy 80 eo ho eo no ambara fa miaraka aminy, araka ny tsiliantsofina re.
 
Banky iraisam-pirenena : anisan’ny hodinihana mandritra ny fivorian’ny banky iraisam-pirenena ny 24 sy 25 aprily ho avy izao any Washington ny momba ireo firenena afrikanina nahitana fanonganam-panjakana tahaka an’i Guinée, Madagasikara ary Mauritanie.
 
Bala 31/75 : Ny sabotsy 17 aprily tokony ho tamin’ny folo ora alina, dia mpivarotra zava-pisotro misy alikola iray tao Tanamakoa Toamasina no notafihana andian-jiolahy nirongo kalaky izay manana ny bala laharana 31/75 miloko maitso mainty. Lasa tamin’izany ny vola maty ny tontolo ny andro mitentina dimy hetsy sy roa tapitrisa ariary. Araka ny filazan’ny tompon’ilay trano fisotroana dia in-5 nipoaka ny basy tamin’ny fanafihana nataon’ireto jiolahy ireto, nisy ihany koa ny naratra vokatra izany, izay nahafeno ra ny trano tamin’ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny FIP nampian’ny avy amin’ny Commissariat Central.
 
Ahiahy : tsy mitombina ny ahiahy sy ny filazana fa ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ihany no ambadik’ireny fanonganam-panjakana ireny, hoy i Vaovao Benjamin, mpikambana ao amin’ny FAT.
 
Nosamborim-potsiny : Voasambotry ny polisin’ny FIP tao Ankirihiry Toamasina ny alatsinainy maraina teo am-panaterana mpianatra ny jiolahy iray isany nanafika tokantrano iray tao Mangarano ny alakamisy 08 aprily teo ka nahavery ny moto scooter Jog-Pro iray sy vola iray tapitrisa ariay. Efa lasa miloko mainty ity scooter Jog-Pro ity raha manga misy sary izy teo aloha, ny loko tsy afaka tao amin’ny fanambanin’ilay moto no nahafantaran’ny tompony azy dia nosamborim-potsiny ireto jiolahy nahavanon-doza. 
 
Nangonin’i Soa –RTT - Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT