Hentitra : Ho hentitra ny sazy hampiharina amin’ireo nandika ny fitsipika ara-miaramila, hoy ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika omaly mikasika ny fisiana miaramila nikasa haka ny Lapan’ny Praiminisitra teny Mahazoarivo.
Tsy hiandry : Andrasana amin’ity herinandro ity ny fanendrena ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, hisolo toerana ny jeneraly Rakotonandrasana Noël. Nambaran’i Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny alin’ny alarobia 14 aprily fa tsy hiandry ny dinika any Afrika Atsimo ny fanendrena io Minisitra io fa hatao amin’ity herinandro ity.
Hitohy : Nijanona tao amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny ankolafy Madagasikara, ivondronan’ny ankolafy Zafy, Ratsiraka sy Ravalomanana, ny sabotsy 17 aprily teo na dia nambara aza fa hihazo ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo aza izy ireo. Tsy nanome alalana hampiasana io toerana io rahateo ny kaominina. Hitohy amin’ity anio ity ny hetsiky ny ankolafy telo ka eny amin’ny tokotany malalaky ny Magro Tanjombato no hifamotoanan’izy ireo amin’izany.
Fiaraha-miasa : Ampahan-dalana maromaro ao Ambatondrazaka tampon-tanàna no hasiam-panamboarana. Fiaraha-miasan’ny faritra Alaotra Mangoro sy ny faritra “Ile de Vilaine” any Frantsa no hahavitana izany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra, Ramandehamanana Richard. Herinandro lasa izay dia nisy ny fanadiovana faobe nandraisan’ny rehetra anjara ny tanànan’i Moramanga.
Nanao antso : Namory mpanao gazety tao an-tranony tao Ambodirotra ny jeneraly Rakotondrasana Noel ny tolakandron’ny sabotsy 17 aprily teo, nanamafy ny fananganana ny “Conseil Supérieur Mixte de la Médiation et de l’Éthique” na Csmme izay mitovitovy endrika amin’ny GIC amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Nanao antso ho an’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena sy ny foloalindahy ny tenany hifanome tanana hanavotana an’i Madagasikara.
Nanome tanana : Nanao be midina teny amin’ny fokontany Antanimena Ambohijatovo, kaominina Fenoarivo ny “Police Communautaire” Analamanga sy Ambohidratrimo, nanome tanana ny fokonolona eny an-toerana amin’ny hanarenana indray ny sekoly ravan’ny rivodoza Geralda tamin’ny taona 1993. Efa vita ny maritrano, hisy efitra telo miampy tranon’ny mpampianatra ny trano haorina.
Vonona hatrany : “Lazao anay izay tsy azo ampiharina ao amin’ny satan’i Maputo, dia izay no hiaraha-midinika”, hoy i Manoro Régis, mpitondra tenin’ny ankolafy Zafy Albert manoloana ny filazan’ny olon’ny ankolafy Rajoelina fa tsy tokony horesahina intsony ny Maputo. Na izany aza dia nilaza i Manoro Régis fa vonona hatrany amin’ny fifampidinihana ny ankolafy Zafy Albert.
Tsy naharay fanasana : Nilaza ny Pr Ange Andrianarisoa raha naneho hevitra tamina fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo fa tsy mbola naharay fanasana ofisialy mikasika ny handraisan’ny ankolafy Ratsiraka misy azy, amin’ny fihaonana kasaina hatao any Johannesbourg amin’ny faran’ity herinandro ity.
Maty tsy tra-drano : Vehivavy iray sahabo ho 20 taona eo no maty tsy tra-drano tao an-tranony ao Tanambao Tolagnaro, notifirina miaramila kaporaly ao amin’ny R3A tamin’ny basy kalachnikov ny alin’ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny sivy ora alina. Vadiny taloha io miaramila kaporaly io, saingy efa nisaraka ela izy ireo. Efa miaraka amin’olon-kafa ravehivavy ankehitriny ka mety ho hasarotam-piaro ny an’ilay miaramila, izy rahateo nitsoaka nandositra rehefa avy nahavanon-doza.
Hitohy : Nifarana ny sabotsy teo rehefa naharitra herinandro ny fizaran’ny fikambanana FITIA, tarihin’i Mialy Rajoelina ireo fanampiana voaangona ho an’ireo traboina noho ny rivodoza “Hubert” any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany farany teo. Hihazo ny faritra Alaotra indray ny fikambanana hanohy ny fizarana ny fanomezana.
Voa mafy : Raha nifarana omaly ny hetsika Sos Vatovavy Fitovinany nokarakarain’ny zanaky ny Faritra hanampiana ireo traboina noho ny rivodoza “Hubert” natao teo amin’ny Esplanade Analakely dia hanao hetsika tolo-tanana hanampiana ireo traboina any aminy koa ny zanak’i Zafisoro avy any Farafangana. Kaominina miisa 10 amin’ny tapany avaratr’i farafangana, no fantatra fa voa mafy tamin’ny fandalovan’iny rivodoza iny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.