Actualités

Tapatapany


  • Zoma 16 Aprily 2010


Manomana : Nandefa iraka teto Madagasikara ary nihaona tamin’i Andry Rajoelina tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra omaly ny filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma, nampita hafatra sy nanomana ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay nambaran’ity farany fa hatao any Afrika Atsimo, ny 24 aprily 2010. 

Maputo : Tsy anjaran’ny Frantsay no hiteny amin’ny Malagasy fa tsy azo ampiharina ny satan’i Maputo sy Addis Abeba, hoy i Tonton Ambroise naneho ny heviny mikasika ny resaka nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny alin’ny alarobia 14 aprily teo. Mikasika ny filazana fa hisy fihaonana hatao any Afrika Atsimo, dia matoky i Tonton Ambroise fa tsy ny filoha Ravalomanana no hiditra amin’izany.
 
Krizy : Tonga eto Madagasikara ary nihaona tamin’ny praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny ao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Rarison Ramaroson Hippolyte, ny talata 13 aprily lasa teo, ny iraky ny fikambanana tsy miankina iraisam-pirenena ICG (International Crisis Group), Charlotte Larbuisson, niara-nijery ny fomba hanohizana ny ezaka amin’ny famahana ny krizy.
 
Tsy hahomby : Manahy ny HAT Vaovao Benjamin fa tsy hahomby ny dinika hifanaovan’ny filoha Ravalomanana sy Andry Rajoelina, kasaina hatao any Afrika Atsimo amin’ny 24 aprily ho avy izao. Ilaina ny fifanatonana, hoy izy, saingy tsy ampy raha ny roa ihany no mihaona, fa tsara ny fiarahan’izy efatra raha ilaina aza dia itarina amin’ny ankolafy politika hafa.
 
Fifanjevoana : Notafihin’ny dahalo roapolo lahy mirongo basy sy zava-maranitra samihafa tao amin’ny fokontany Mahazoarivo kaominina Ambatomifanongoa distrikan’Ambositra ny alin’ny alarobia lasa teo. Nisy ny fifanjevoana teo amin’ny fokonolona sy ny dahalo izay naharitra ora iray teo. Lehilahy iray no maty, maro koa no naratra tamin’izany, vokatry ny hery tsy mitovy. Very tamin’izany omby miisa 75. Vinantolahin’ny tompon’omby ity namoy ny ainy ity.
 
Kolikoly : Tonga nanao famelabelarana momba ny kolikoly sy ny mitovy lenta amin’izany araka ny fameran’ny lalàna 2004-030 tao amin’ny onivesite tsy miankina ACEEM ao Manakambahiny ny avy amin’ny Bianco omaly. Ny tanora no hoavin’ny firenena, ka zava-dehibe ny fampahafantarana azy ireo dieny izao ny amin’izany kolikoly izany, mialoha ny hidirany eo amin’ny tontolon’ny asa, hoy ny avy amin’ny Bianco.
 
Tsenabe “Fivoarana” : Hotanterahina ao Miarinavaritra distrikan’i Fandriana faritra Amoron’i Mania ny 4, 5 ary 6 mey ho avy izao ny tsenabe “Fivoarana” karakarain’ny Kaominina. Fanao isan-taona izy ity sady fotoana hanehoana ny otrikaren’ny kaominina, izay malaza amin’ny voankazo sy ny vokatra tantely. I Miarinavaratra no hisantatra ny foara any amin’ny distrikan’i Fandriana.
 
Nokleary : Mandeha indray feo araka ny resaka ataona mpampianatra amin’ny ambaratonga ambony amin’ny sehatra nokleary fa misy fikasana hametrahana tetikasa manodidina ny nokleary eto Madagasikara eto, izay somary sarona amin’ity disadisa politika misy ankehitriny ity.
 
Hampiasa vola : Vonona ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra hampandrosoana ny firenena entina hialana amin’ny krizy misy amin’izao fotoana izao ny Aziatika, hoy i Tiana Raoelina, Tale Jeneralin’ny “House of Madagascar”. Misy mpandraharaha indiana 250, hoy izy vonona ny hampiasa ny volany eto ary hitarika fanomezana asa izany. Nangataka izy mba hisy tanteraka ny famelana malalaka ireo mpandraharaha vahiny na malagasy hanatanteraka ny fandraharahana ataony.
 
Barikadimy : Hapetraka amin’ny fomba ofisialy anio ao Barikadimy Toamasina ny filohan’ny oniversite, Horace Gatien.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT