Actualités

Tapatapany


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Famotsoran-keloka : nanamafy i Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana tao amin’ny haino amanjerim-panjakana halina fa ny zavatra tapaka nandritra ny atrikasa «Teny Ifampierana» teny Ivato no soridalana hampiharina amin’ny tetezamita. Raha izay no izy dia izy Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita, Camille Vital no praiminisitra. Tsy misy resaka kosa ny damotsoran-keloka. 

Naato : nihazo avy hatrany an’i Toamasina i Camille Vital taorian’ny famindram-pitantanana nandraisany ny asan’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, hivady manomboka izao amin’ny asa maha praiminisitra azy. Fifanandrifian-javatra sa izay no anton-diany any Toamasina fa dia mifanojo indrindra amin’ny fampiatoana ny fanondranana entana mankany ivelany ny fahatongavany azy.
 
Mpikaramanady : misy vazaha fito lahy, ranjanana sady nofosana miendrikendrika miaramila tsikaritry ny olona nandeha fiarakaretsaka roa, mirongo entana nandalo iny Soarano nihazo an’Ambodifilao iny ny harivan’ny talata teo. Manahy ny maro sao mpikaramanady miditra eto Madagasikara izy ireo.
 
Vatsim-pianarana : nanome 24 ora ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ny mpianatry ny onivesiten’Antsiranana hamahana ny olan’izy ireo amin’ny vatsim-pianarana. Nikasa ny hidina an-dalambe fanindroany izy ireo omaly, handrava ny mpivarotra saingy efa niatrana niaro ny toerana saro-pady tao an-tanàna ny mpitandro ny filaminana. Nilamina ihany anefa ny tanàna, tsy nivoaka ny faritry ny oniversite rahateo ny mpianatra.
 
Fanarenana : hotokanana rahampitso zoma 15 aprily ny «studio» faharoa natao ho fanolorana vaovao an’ny fahitalavi-panjakana na TVM2. Any amin’ny rihana faha-5 ao amin’ny trano misy ny TVM ankehitriny no misy ity “studio” vaovao ity, tafiditra amin’ny asa fanarenana miandalana ny haino aman-jerimpanjakana izay may ny 26 janoary 2009, nandritra ny hetsi-bahoaka notarihin’i Andry Rajoelina.
 
Barikadimy : hotanterahina rahampitso zoma 16 aprily raha tsy misy fiovana fandaharam-potoana amin’ny ora farany ny fametrahana amin’ny toerany ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Horace Gatien. Nanao fanamby ny hanorenana tranon’ny mpianatra ao Barikadimy ny tenany raha nanao fampielezan-kevitra tamin’ny nifidianana azy. Ny fananan’ny Fjkm no kendrena hanatanterahana io fampanantenana io, izay nampiteraka savorovoro ao Toamasina hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo.
 
Tsy hiandry : aorian’ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana any Johannesburg Afrika Atsimo amin’ny 24 aprily raha raikitra, no hananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena, raha ny nambaran’i Andry Rajoelina omaly. Tsy hiandry izany anefa fa hotendrena amin’io herinandro ambony io izay ho Minisitry ny fiarovam-pirenena, hisolo toerana ny jeneraly Rakotonandrasana Noel.
 
Didim-pitsarana : tsy mitombina ny fitoriana, ka azo tanterahina ny fampiharana ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany hanakatonana ny kianjan’ny Magro. Io no didim-pitsarana nivoaka teo anivon’ny fitsarana ambony omaly, mikasika ny fifanolanan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny Tiko, mikasika ny fitorian’ity farany ny hampiatoana ny fampiharana ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany manala avy hatrany amin’ny tany ny TOP nanao fifampiraharahana fanofana tany nifanaovan’ny roa tonta.
 
Kandida : nanamafy i Benja Razafimahaleo, mpikambana Leader Fanilo sady minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola tao anatin’ny governemanta Monja Roindefo, fa dia hirotsaka hofidiana depiote any Amoron’i Mania, ao Ambositra no marimarina kokoa, ny tenany amin’ny fifidianana ho avy eo.
 
Fampiasan-kery : tovolahy 19 taona no maty tsy tra-drano voatifitra, olona efatra hafa naratra tao Masoarivo, Belo Tsiribihina. Ady tany no fototry ny olana. Tsy nisy alaharo fa dia fampiasan-kery avy hatrany no nanehoan’ny mpifanandrina ny tsy fahafaliany.
 
Fanapoizinana ara-tsakafo : miparitaka any amin’ny Faritra any amin’izao fotoana izao ireo sakafo lany daty, indrindra fa ny paty toy ny hita any SAVA sy DIANA iny. Betsaka ny olona any ambanivolo anefa tsy mahay mamaky teny sy manoratra koa ahiana ny fanapoizinana ara-tsakafo mety haterak’izany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT