Actualités

Tapatapany


  • Alarobia 14 Aprily 2010


Hiteny : hiverina indray ilay fandaharana manokana amin’ny haino aman-jery hanadihadian’ny mpanao gazety voafantina ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina, ary hanehoan’ity farany ny fahitany ny raharaham-pirenena, sy ny mety ho fizotry ny famahana ny krizy ary ny fandaharan’asan’ny fitondrana tetezamita. Anio amin’ny 8 ora sy sasany alina no handefasana amin’ny haino aman-jerim-panjakana (RNM sy TVM) ity fandaharana manokana ity. 

Fanodinkodinam-bola : nitohy omaly ny fanadihadiana ireo 15, voarohirohy tamin’ny fanodinkodinam-bolan’ny Jirama Toamasina. Mpiasan’ny Jirama ny 11 amin’izy ireo ary mpiasan’ny banky BNI ny 4. Taorian’ny fandalovana tao amin’ny mpitsara voalohany mpanao famotorana dia notanana am-ponja vonjimaika ny roa tamin’ireo mpiasan’ny Jirama, dia ny mpanamarimbola na «comptable» sy ny mpandrotsaka vola any amin’ny banky. Nafahana vonjimaika kosa ny 13 ambiny.
 
Hihaona : handray ny foloalindahy eny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny jeneraly Camille Vital. Heverina fa tohin’ny fihaonana nifanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy tamin’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izy ity.
 
Tsy mahazatra : feno miaramila vao maraina teo an-tokotanin’ny radio nasionaly sy ny televiziona nasionaly Anosy omaly. Tsy mahazatra ny fahitana izany. Nandeha ny feo fa nisy andia-miaramila nikasa hanao fanambarana tao, ka niatrana amin’izay mety hitranga ireto miaramila ireto izay notarihina kolonely. Efa tany amin’ny manodidina ny mitataovovonana vao niala teny an-toerana ny miaramila.
 
Politika : mitaraina ny ankamaroan’ny mponina, indrindra ireo traboina ao Manakara, fa dia nidiran’ny firehana politika ny fitsinjarana ny fanampiana avy amin’ny fikambanana FITIA, tarihin’i Mialy Rajoelina vadin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, izay nankinina tamin’ny Croix Rouge Manakara ny fizarana azy. Tratr’ity olana ity hatrany amin’ireny asa tanamaro ireny, hoy ny fanamarihan’ny avy any an-toerana.
 
Fefy : nofefen’olon-tsotra ny ampahan-tany ao Antsahamanitra, izay fananan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara raha ny fahafantaran’ny maro azy. Miroso amin’ny famefena ny toerana ankehitriny ny tompon’ny tany, izay Tale jeneralin’ny Cnaps teo aloha. Tany amin’ny taona 1995 no efa nisy nahalasa ity tany ity, saingy amin’izao andron’ny tetezamita izao vao mipoitra tampoka ny raharaha.
 
Disadisa : mitohy ny disadisa eo amin’ny FPTAF sy ny FJKM ao Ambohimalaza mikasika ny tany iorenan’ny fiangonana protestanta ao. Nipoitra ny taranaky ny tompon’ny tany ka naka izany, raha toa ka ara-panjakana dia fananan’ny FJKM mazava ny tany. Namoaka didim-pitondrana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fanapariaham-pahefana mamerina ny tany hampisain’ny FPTAF ny FJKM ary tokony ho natao omaly ny famerenana ny fanalahidy sy ny fitaovana tao, ary nitondra vaditany mihitsy hanatanteraka ny didy. Nametraka fitoriana any amin’ny filankevi-panjakana ny FJKM ny hanafoanana sy hampiatonana ny fampiharana izany didim-pitondrana izany.
 
Grevy : mpanao gazety iray nanao ny asany no nisedra olana nandritra ny fidinana an-dalambe nataon’ny mpianatry ny oniversite tao Antsiranana omaly. Mitaky ny hamenoana ny vola ao amin’ny kitapom-bola natokana ho an’ny vatsim-pianarana izy ireo. Nifanenjehan’ny mpianatra ary saika niharan’ny herisetra izy raha naka sary ny mpanao fihetsiketsehana ity mpanao gazety tsy miankina ity.
 
Grevy : manameloka ny hetsika ataon’ny Paramed ny sendika FISEMARE ary nanambara fa efa nivadika resaka politika izany.
 
Mpiasam-panjakana : tokony hisy ny fikaonan-doham-pirenena handinihana manokana ny asam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana araka ny hevi-dRamamonjisoa Florentin avy ao amin’ny FMMD.
 
Betiana Bruno : mety hamaha ny krizy ny fanambarana nataon’ny foloalindahy mangataka fanazavana sy fandaharan’asa matotra amin’ny fitondrana tetezamita araka ny fahitan’i Betiana Bruno, mpikambana ao amin’ny HAT azy.
 
Voninahitsy : tsy manda ny hifampiraharaha amin’i Marc Ravalomanana i Voninahitsy Jean Eugène, raha manaiky ny hiala tsiny ampahibemaso ity filoha teo aloha ity.
 
Fihaonana : nanamafy Raharinaivo Andrianatoandro fa nisy tokoa ny fihaonany tamin’Atoa Zazah Ramandimbiarison, talen’ny kabinetran’ny filohan’ny HAT.
 
Lapan’ny tanàna : mety hanomboka any amin’ny tapaky ny volana jona ny fanadiovana ny manodidina ny lapan’ny tanàna etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Araka ny toky nomen’ny fiohan’ny HAT Andry Rajoelina moa dia tsy maintsy vita tanteraka amin’ny volana mey ny asa rehetra mahakasika ny fanorenana ny trano vaovao nasolo ny lapan’ny tanàna may tamin’ny 1972.
 
Nangonin’i Jean D. sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT