Hiova : Hiova lasy ka ho ao amin’ny faritra ny Magro Behoririka indray no ho ambohipihaonan’ny ankolafy telo rehefa sarotra ho azy ireo ny miditra ao amin’ny kianjan’ny demokrasia noho ny fibahanan’ny miaramila ny vavahady rehetra miditra amin’izany toerana izany.
Hifanome tanana : Tsy raharahan’olon-tokana ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Tokony hijoro ireo Raiamandreny eto amin’ny firenena hifanome tanana amin’ny famahana izao krizy izao, hoy ny jeneraly efa misotro ronono Rakotoarijaona Désiré, izay efa praiminisitra naharitra 11 taona tamin’ny fitondran’ny filoha Didier Ratsiraka.
Fihaonana : Taorian’ny fahatapahan’ny fifampiresahana dia fantatra izao, fa nisy ny fihaonana teo amin’ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo, teto Antananarivo. Marihana fa tsy mbola fihaonana ofisialy izy ity, fa karazana fihaonana savaranon’ando amin’ny fikarohana ny marimaritra iraisana amin’ny fananganana ny fitondrana tetezamita iaraha-mitantana.
Mandray andraikitra : Tsy afa-bela amin’ny famahana izao olona mianjady amin’ny firenena izao ny foloalindahy ka tokony handray andraikitra izy ireo, hoy i Tabera Randriamanantsoa, avy amin’ny CRN sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert. Nambarany fa tsy hamaha olana fa vao mainka hampitombo ny krizy ny fanilihana ny Minisitry ny fiarovam-pirenena.
Lalàmpanorenana : fitsapan-kevi-bahoaka handaniana ny lalàmpanorenana no tokony hatao mialoha ny fifidianana rehetra ho avy, hoy Ndremanjary Jean André, avy amin’ny ankolafy Arema. Tsy mahasolotena ny maro ny atrikasa Teny Ifampierana natao teny amin’ny Centre de Conférence International Ivato, hoy izy.
Fanofanana : Anisan’ny fandaharan’asa hirosoan’ny filoha vaovaon’ny filankevi-panjakana, Ramilison Max, izay misolo toerana ny teo aloha Noro Robinson Andriamarolahy, ny fanofanana ireo mpitsara miisa 32 miara-miasa aminy, izay nambarany fa saika tanora ny akamaroany.
Fijoroana : Niala tamin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny antoko PFM, Henri Lecacheur. Nambarany fa fotoana izao tokony hijoroan’ny tia tanindrazana, ka handraisany andraikitra hanavotana ny firenena ka hamaranana izao krizy ireo.
Tsy afa-po : Nitohy omaly ny fitokonan’ny mpianatry ny oniversite ao Antsiranana. Tsy nisy vanona ny fampianarana omaly. Resaka vatsim-pianarana no fototry ny olana. Tsy mahafa-po ny mpianatra any an-toerana ny fampakarana 10% neken’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.
Zava-misy : Manamafy ny fitakiany, dia ny hampakarana 50% ny vatsim-pianarana ny mpianatry ny ambaratonga ambony miofana ho injeniera eny Vontovorona. Mikasa ny hamokatra horonantsary hampahafantarana ny tontolo iainan’izy ireo, toy ny trano fonenana, ny fatoriana, ny efitrano fianarana sy ny fitaovana ampiasaina eny Vontovorona ireto mpianatra ireto hanehoana ho fanta-bahoaka ny zava-misy marina iainan’izy ireo, hanohanana ny fitakian’izy ireo.
Fanampiana : Hikarakara hetsika tolo-tanana ho fanampiana ireo traboina any Vatovavy Fitovinany ny zanak’ity Faritra ity. Amin’ny alakamisy 15 jolay ho avy izao no hanatanterahana izany eo amin’ny Esplanade Analakely. Any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy faritra Atsinanana, hatramin’ny faran’ny herinandro teo, mitsinjara ireo voatsirambin’ny tanana nandritra ny hetsika firaisankina farany teo ny fikambanana FITIA tarihin’i Mialy Rajoelina.
Fanadiovana faobe : Nanao fanadiovana faobe ny tao Moramanga tampon-tanàna omaly. Nitarika ny hetsika ny Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Ramandehamanana Richard niaraka tamin’ireo mpandraharaha miankina sy tsy miankina ary solontenam-panjakana ao an-toerana.
Ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona : Tafatsangana any Marovoay ny 10 aprily teo ny komity miady amin’izany fampiasana ankizy tsy ampy taona izany. Hiara-hiasa amin’ny komity rezionaly ity komity vao nijoro ity. Handray ny andraikiny manomboka ny 14 aprily izao moa io komity rezionaly izay tarihin’ny lehiben’ny distrika io. Ity rafitra vaovao ity, dia hanamafy ny ady atao amin’izany ady izany ao anatin’ny distrika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.