Tsy tazana : Nanoina ny antson’ny mpitarika ireo mpiara-dia amin’ny ankolafy telo. Nirohotra nihazo an’Ambohijatovo izy ireo ny sabotsy teo nikasa hiditra ny kianjan’ny demokrasia fa tsy tanteraka hatramin’ny farany izany. Nobahanan’ny mpitandro ny filaminana ny vavahady nahafahana niditra tao. Tsy nisy ny fifandonana na nisy ihany aza ireo nentanim-po. Tsy tazana teny an-toerana kosa ny mpitarika.
Tsy tanteraka : Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny ekipan’ny Lehiben’ny Faritra Androy teo aloha, Damy, izay nesorin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, sy ny ekipan’i Fiandraza izay notendrena ho solony. Tsy tanteraka ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta izay tokony ho natao ny zoma 09 aprily lasa teo. Efa senatera tamin’ny andron-dRatsiraka i Damy, ary olon’i Monja Roindefo. Efa Praiminisitra lefitra tamin’ny tetezamita nentin’i Norbert Lala Ratsirahonana kosa i Fiandraza, ary mpanolotsain’ny Minisitry ny toekarena, Fienena Richard, nialoha ny nanendrena azy ho Lehiben’ny Faritra Androy izao.
Manahy : Nampirisika ny hananganana ao anatin’ny fotoana fohy ny governemantan’ny firaisam-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) sady lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Roland Ratsiraka raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny sabotsy lasa teo. Manahy ny hisian’ny ady saritaka eto ny tenany raha mitohy ny disadisa tsy eo amin’ny sivily fa indrindra eo anivon’ny foloalindahy izao.
Katolika : Tontosa tao Mahajanga omaly alahady 11 aprily ny lamesa lehibe nametrahana amin’ny fiketrahana maha Eveka, ny Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Izy no eveka vaovaon’ny diosezy katolikan’i Mahajanga, faha-10 hatramin’ny taona 1898 naha diosezy an’i Mahajanga, ary mandimby toerana ny Mgr Joseph Ignace Randrianasolo, izay nodimandry ny volana febroary 2010 lasa teo. Teraka ny 26 martsa 1960 teto Antananarivo ny Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, ny 29 jolay 1990 no nohamasinina ho pretra teo amin’ny sokajy lehilahy tao Miarinarivo.
Vonjeo : Nahangona vola 846.000Ar ny tao Andapa nandritra ny roa andro, ny sabotsy sy alahady teo, nanatanterahana hetsika tolo-tanana ho an’ireo traboina noho ny rivodoza «Hubert» farany teo. «Vonjeo ny any atsimo», io no teny fanentanana nentina nanetsika ny olona tany Andapa. Hitohy hatramin’ny alakamisy ho avy izao ity hetsika ity.
Loterana : Nanavao ny biraon’ny sinodam-paritany ny Fiangonana loterana ao faradofay. Tao amin’ny fileovana Mahatalaky, amin’ny lalana mihazo an’i Vangaindrano, mandalo an’i Manantenina no nanatanterahana izany omaly alahady 11 aprily. Koa voafidy ho prezida sinodaly tamin’izany ny pastora Fitrangana Rodlis, nandimby toerana ny pastora Mosa Célestin, izay efa nitondra nandritra ny taom-piasana in-droa nisesy. Isa tokana no elanelam-bato azon’ny roa tonta.
Tsena vaovao : An-dalam-pamitana ny tsena vaovao “Fihavanana” ao amin’ny Petite Vitesse. Raha tsy misy ny sampona dia kendrena hovitaina amin’ity herinandro diavina ity ny asa, toy ny fametahana ny jiro. Trano lehibe misy rihana izy ity, ireo mpivarotra eo amin’ny Petite Vitesse no homena laharam-pahamehana rehefa tonga ny fizarana ny toerana.
Miaramila : Nanao sesilany ny fivorian’ny miaramila. Nisy fivoriana teny amin’ny RTS Fiadanana ny sabotsy teo. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Ny harivan’io sabotsy io ihany dia nampiantso ny miaramila hivory miaraka aminy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Anio no mety hisian’izany fihaonana izany.
Vovonana : Nitohy tao Mahajanga ny fampahafantarana sy ny fampijoroana ny sampan’ny MDM na “Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara”, tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo. Mivonona hiatrika ny fifidianana ho avy ity vovonana ity. Mandeha ny feo fa hirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana filohan’ny Repobilka ho avy ity sekretera nasionalin’ny Arema ity.
Manimba : Mitaraina ny ray aman-dreny sy ny mpanabe amin’iny faritra Atsinanana sy Analanjirofo iny fa dia mahazo laka ny “jiro mena” na alim-pandihizana mitety vohitra. Manimba zaza, indrindra fa ny tovovavy izy ity, hoy izy ireo ka ilana vahaolana.
Filankevi-panjakana : Hapetraka amin’ny toerany, mandritra ny lanonana ara-pitsarana, anio raha tsy misy ny fiovana fandaharam-potoana amin’ny ora farany ny filoha vaovaon’ny Filankevi-panjakana, Ramilison Max. Noraisina nandritra ny filankevitry ny Minisitra natao ny alakamisy 08 aprily lasa teo ny didim-panjakana manendry azy ho amin’izany toerana izany, misolo ny mpitsara ambony, Robinson Noro Andriamarolahy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.