Actualités

Tapatapany


  • Alakamisy 08 Aprily 2010


Fitsarana : Nitohy omaly tao amin’ny fitsarana ambony Anosy ny fandinihana ny raharaha ifanolanan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antananarivo, amin’ny Tiko mikasika ny raharaha fanofana ny tany iorenan’ny Magro eo Ankorondrano. Ny Tiko no nampakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony, ny fotoam-pitsarana omaly ihany koa no nihenoana ny fiarovana nataon’ny mpiaro azy. Amin’ny alarobia 14 aprily no hivoaka ny didim-pitsarana.

 
Nosoloina : Nalana tamin’ny toerany ary nosoloina olon-kafa i Damy, Lehiben’ny Faritra Androy. Olon’i Monja Roindefo ity farany, ary toa izay aza no antony nanoloana azy. Fiandraza, depiote taloha tao Ambovombe ary efa Praiminisitra lefitra tamin’ny tetezamita notarihin-dRatsirahonana Norbert Lala, no nasolo azy.
 
Mari-pankasitrahana : Nanamarika ny fankalazana ny andro iraisam-piren’ny fahasalamana omaly alarobia 07 aprily ny fanolorana mari-pankasitrahana an’ny Mompera Pedro noho ny asa be vitany teo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Sambany moa no nisy ny fanomezana mari-pankasitrahana toa izao teto amintsika ka ity relijiozy ity no nisantatra izany tamin’ity taona ity. “Tsy ho ahy irery ity maripankasitrahana ity fa an’ny Akamasoa sy ny vahoaka Malagasy rehetra “ hoy i Mompera Pedro raha nisaotra ny praiministra lefitra misahana ny fahasalamana, ny profesora Tehendrazanarivelo Alain, ny tenany.
 
Miantoka : araka ny vaovao navoakan’ny LOI dia ny orinasa Jirama no miantoka ny fivoahan’ireo mpitondra fanjakana
 
Tolo-tanana : Niainga omaly tolakandro teto Antananarivo nihazo ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany ireo kamio 12 mitondra fanampiana azo nandritra ny tolo-tanana hetsika firaisakina nataon’ny fikambanana FITIA, tarihin’i Mialy Rajoelina, hozaraina amin’ireo traboina noho ny rivodoza “Hubert” any an-toerana.
 
Raharaha Magro- CCIA : ny alarobia heriny ho avy izao no hamantarana izay didim-pitsarana havoakan’ny fitsarana ambony momba ity raharaha ity
 
Serasera : Ny Stratline Communications no miandraikitra ny serasera iraisam-pirenen’ny filoha Ravalomanana miainga avy any Afrika atsimo. Miainga avy ao amin’ny villa Houghton, ao Johannesbourg izany.
 
Maty tsy tra-drano : Rehefa samy mamo i Fredy sy Paul dia nifamaly ary notsindronin’ilay voalohany antsy teo amin’ny fony ity namany  ka maty tsy tra-drano. Ny 5 aprily 2010 lasa teo tamin’ny dimy ora sy sasany hariva no nitrangan’izany tao Bemapa, kaominin’ Ivato-Centre, distrikan’ Ambositra. Lasa nandositra i Fredy taorian’izay ary tsy mbola hita hatramin’izao.
 
Manohana : manohana ny hetsika rehetra hahatongavana amin’ny repoblika faha-4 ny Matsilo, hoy Ranjivason Jean Théodore.
 
Fiaraha-miasa : Nanolotra zezika ho an’ny hopitalin’Ambohimiandra hikarakarana ny zaridaina ny orinasa Guanomad. Ankoatra izay, nisafidy ihany koa ny fanamboarana takelaka fanoroana lalana ao anivon’ny hopitaly sy ny fametrahana dabam-pako ny orinasa ary nanolotra akanjo sy sakafo ho an’ireo zaza marary ihany koa.
 
Akora : Hitrandraka akora indostrialy eto Madagasikara ny Esama Mineral. Misy Malagasy manana petra-bola ao amin’ity orinasa ity, araka ny vaovao 
 
Foara : ny 6-9 mey ho avy izao no hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato ny “Foire Internationale de Madagascar na FIM”.
 
50 taona : Hankalaza ny faha-50 taonany ny tanànan’i Fianarantsoa amin’ity 2010. Hisy ny hetsika lehibe karakarain’ny Kaominina, izay hosantarina amin’ny fampirantiana sy fampaharantara an’i Fianarantsoa amin’ny alalan’ny valandresaka sy ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena manomboka ny 20 mey, hetsika izay haharitra herinandro eo. Mialoha izany dia hisy ny fifaninanana teny faneva, hira faneva ary sary famantarana ny faha-50 taonan’ny tanànan’i Fianarantsoa. Amin’ny volana aogositra kosa no ivon’ny fankalazana, araka ny fanazavan’ny PDS Pety Rakotoniaina.
 
Atrikasa : Hotanterahina any Maroantsetra ny 12 aprily ho avy izao ny atrikasa momba ny lavanila, atrikasa izay tokony no natao ny anio 08 aprily. Anisan’ny lahadinika amin’izany ny fisokafan’ny taom-piotazana lavanila, ny famerana ny hetra sy haba ary ny resaka fiarovana fampiasam-bola sy ireo mpandrahara miasa eo amin’io lalam-pihariana io.
 
Mpaka an-keriny : Tratran’ny zandary avy ao amin’ny Sampan’ny zandary misahana ny fikarohana momba ny heloka bevava etsy Fiadanana ny zoma 02 aprily 2010 lasa teo i Lala sy Solohery izay jiolahy mpanao asa fanafihana tobin-tsolika teny Ambohimalaza sy anisan’ny nanafika ny BOA tetsy Tsimbazaza. Izy ireto ihany koa no nanafika vazaha tetsy Ambohimanarina ary anisan’ ireo tadiavina mikasika ny fakana an-keriny karana teny amin’ny Casino 2000 eny Behoririka.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT