Actualités

Tanambe Amparafaravola Tsy mitsaha-mitotongana ny vidim-bary


  • Zoma 16 Aprily 2010


Velon-taraina ireo tantsaha any amin’iny tapany andrefan’ny faritra Alaotra iny, fa tsy mitsahatra mitotongana ny vidim-bary any an-toerana. Olana ny tsy fisian’ny mpanangom-bokatra fa ireo izay manam-bola sy mpanao afera no manararaotra mividy ny vokatry ny tantsaha. Manodidina ny 7000Ar amin’izao fotoana izao no hamarotana ny iray vata amin’ny vary akotry. 250 ariary hatramin’ny 270 ariary ny kapoakan’ny fotsimbary. Nambaran’ny tantsaha iray fa raha io vidim-bokatra amin’izao io no jerena dia tsy mahaloa ny sarany ny vidiny. Fantatra fa andaniana vola hatrany amin’ny efatra hetsy ariary ny fikarakarana ny tany iray hektara, toy ny fiasana ny tany, ny fanetsana sy ny fiavana ary ny tena maha betsaka ny masonkarena dia ny fividianana zezika sy ny fanafodim-biby. Nohamafisin’ity tantsaha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana ity fa tamin’ny fitondrana teo aloha dia nisy ny fanampiana azy ireo tamin’ny alalan’ny faritra sy ireo ivotoerana fampindramam-bola madinika ny amin’ny famatsiana ny zezika sy ireo kojakoja ilaina amin’ny famokarana. Mitaky fandraisana andraikitra haingana avy amin’ny fitondram-panjakana, araka izany, ireo tantsaha any amin’iny faritra Alaotra iny. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT