Actualités

Tahiry vola vahiny Be ny mivoaka, ny miditra tsy misy


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Tsy dia maharototra ny maro nefa tsy azo odian-tsy hita ny fihenanny tahiry vola vahiny eo anivonny Banky foibeni Madagasikara, mandritra izao fitondrana tetezamita izao.

Efa notaterina teto ihany fa nahatratra 770 tapitrisa dôlara izany tahirina vola vahiny izany tany amin’ny tapaky ny volana febroary, dia efa tafidina hatrany amin’ny 700 tapitrisa dôlara izany amin’izao fotoana. Raha atao ny kajy tsotsotra dia 70 tapitrisa dôlara no lany tao anatin’ny iray volana teo ho eo ka raha tsy mivaha ny krizy, ary tsy misy mihitsy ny fanampiana avy any ivelany avy amin’ireo mpamatsy vola dia ho ritra tanteraka ao anatin’ny folo volana (izany hoe amin’ny janoary 2011) ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foibe. Marihana fa ilaina amin’ny fividianantsika entana avy any ivelany, indrindra fa ny solika sy amin’ny tsenam-bola anatiny, ny vola vahiny.

Raha kely sisa ny tahiry, na lany tanteraka ny vola vahiny dia tsy afaka ny hividy solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena intsony i Madagasikara, tsy afaka ny hanafatra vary sy ireo entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro intsony, raha misy ihany aza ny fahatongavan’ireny entana avy any ivelany ireny eto amintsika, dia azo antoka fa hidangana ny vidiny ary ny tena ratsy koa dia tsy afaka ny hanafatra fanafody intsony i Madagasikara. Ho ratsy dia ratsy ho an’ny firenena sy ny vahoaka malagasy izany, satria mikorontana ny zava-drehetra rehefa ny vola no tsy misy intsony. Ny ao amin’ny HAT anefa tena mbola miziriziry hitantana samirery ny tetezamita ary miantsy ady mihitsy amin’ny sehatra iraisam-pirenena no sady milaza fa hatramin’ny 31 desambra 2010 no hifaranan’ny tetezamitany, ary mety hifanandrify amin’io daty io koa, ny hahafoana tanteraka ny vola vahiny ao amin’ny Banky foibe.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT