Actualités

STAR Antsirabe Nanao taratasy fanairana ny mpiasa


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Mifamahofaho ny resaka ao amin’ny Orinasa Star Antsirabe tato ho ato. Ny fitantanana ny mpiasa no naha be resaka raha ny mailaka niely nanomboka ny alatsinainy 08 martsa teo.

Misy andiana mpiasa, ao amin’ny Fitambaran’ny mpiasan’ny Orinasa STAR Antsirabe, nanao taratasy fanairana sy fitarainana amin’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa sy ny eo anivon’ny orinasa Brasserie Star Madagasikara amin’ny zava-nitranga eo anivon’ny orinasa ao Antsirabe. Teratany frantsay, mitana andraikitra ambony ao an-toerana, no tondroin’ny fanambarana fa “miteraka fisavorovoroana sy tsy filaminana, fandemen-tsaina sy fampiadiana an-kolaka ny samy malagasy ary koa ny solontenan’ny mpiasa amin’ny mpiasa sasantsasany”.

Miantso ny sampandraharaha fisafoana ny asa sy ny minisiteran’ny asa izy ireo mba «hanadihady sy hanaporofo ny fahamarinan’izany toe-javatra izany”. Tsy niandry ela anefa fa ny 9 martsa ihany dia nisy valin-kafatra nataon’ny andiana mpiasa hafa avy amin’ny Star Usine Antsirabe ihany, mampahatsiahy fa “araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara dia ny solontenan’ny mpiasa no afaka misolo ny mpiasa amin’ny sehatra mety ilana izany”. Milaza ireto andiana mpiasa ireto fa «tsy tompon’andraikitra amin’ny mailaka naparitaka tamin’ny sehatra maro”, izay heverin’izy ireo, fa “miteraka fanalam-baraka ny orinasa sy ny tontolon’ny mpiasa”. Mpiasa valo moa no nanao taratasy ity taratasy ity, raha tsy nitonona anarana kosa ny mpandefa ny mailaka ny alatsinainy teo.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT