Fihaonana farany amin’ny fiala-nenina hamahana ny krizy ny hotanterahana any Johannesburg – Afrika Atsimo, araka ny fahitan’i Serge Zafimahova, filohan’ny CDE (Club Développement Éthique) azy. Tsy hoe zava-baovao be noho ny efa hita anefa no hitranga any, araka ny nambarany ihany, satria ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ihany no tsy maintsy hiaingan’ny adihevitra. Nambarany ihany koa fa misy matahotra ny hananganana ilay CNR, na filankevi-pirenena momba ny fampihavanana. Ilaina anefa, hoy izy ny hisian’ny fampihavanana amin’ny fo madio tanteraka mba hahafahana mamantatra ny alahelon’ny tsirairay izay mitarika ny fifandirana sy ny fifandonana rehetra nisy teto, tato anatin’ny 50 taona.
Ho an’i Serge Zafimahova sy ny CDE dia tsy maintsy miainga amin’io fampihavanana io avokoa ny zava-drehetra. Milamina ny politika rehefa vita io, ary mirindra ny fiainana sosialy sy ny fampandrosoana ny toekarena rehefa mihavana sy tsy mifampihatsaravelatsihy ny rehetra. Tsy misy zava-banona eto, araka ny filazany ihany, raha tsy mifanazava tsara sy mifamela heloka ireo ankolafy, firehana, mpanao politika, mpitondra fivavahana, miaramila, fikambanana maro samihafa ary ny olom-pirenena tsirairay, izay no atao hoe fampihavanana. Nomarihany fa tsy tribonaly ka hitsara akory ny CNR hanao ilay fampihavanam-pirenena, fa fitaovana fotsiny napetraka handamina ny tetezamita sy ny olana rehetra nisy teto mba ahafahana miroso am-pilaminana any amin’ny Repoblika faha-4.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.