Tontosa ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Institut Médical de Madagascar etsy Anosy ny sonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny sekoly ambony IMGAM (Institut de Management des Arts et Métiers) etsy Antanimena sy ny sekoly ambony IDRAC any Lyon France.
Miompana amina fiaraha-miasa telo lehibe io fifanekem-piaraha-miasa io. Laharam-pahamehana amin’izany ny eo amin’ny samy sekoly ny Imgam sy ny Idrac, ny fifanakalozana mpianatra isaky ny enim-bolana, miankina amin’ny taranja hifanarahan’ny roa tonta ary ny fifanakalozana mpampianatra roa na telo herinandro eo ho eo. Mpianatra telo isan-taona avy amin’ny oniversite tsirairay avy no hahazo tombontsoa amin’izany ka ankoatra ny fahalalana horatovony dia hisy ihany koa ny fifanakalozana kolontsaina sy fomba amam-panao eo amin’ny tany roa tonta. Mandritra ny dimy taona aloha no fe-potoana hiarahan’ny roa tonta miasa izay azo lazaina ho santatra am-bava rano ihany. Rehefa hita mivaingana mantsy ny vokatra azo araka ny fanazavana dia hohamafisina sy hohatevenina ny fiaraha-miasa. Ny tanjona dia mba hahafahana manampy ny mpianatra amin’ny lafiny rehetra. Nanatrika ny fotoana ny Minisitra misahana ny Fanabeazam-pirenenan’ny FAT, Razafimanazato Julien, notronin’ny Talen’ny Imgam, Rakotoson Martin, sy i Favre Benedicte, Talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena no sady solontenan’ny oniversite IDRAC. Tsiahivina fa efa misy telo ankehitriny ireo sekoly ambony any ivelany miara-miasa akaiky amin’ny Imgam dia ny HEC Montréal any Canada, ny IAE any Pérpignan, ary ny IDRAC izay vao avy nanatontosa sonia fifanekem-piaraha-miasa taminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.