Mihidy tanteraka ankehitriny ilay biraonny ACOA Modely ao Ampasimazava taorianny disadisa nitranga tao aminy ny alarobia teo.
Samy nandefa ny mpitandro ny filaminany avy ny mpitantana vonjimaika sy ny mpitantana tsy ara-dalàna nisisika hiditra birao, tsiahivina ihany. “Ny OTIV Littoral no fototr’izao olana izao, ary mbola izy no mampitarazoka ny antontan-taratasy hahazoan’ny ACOA Modely fahazoan-dalana ara-dalàna hiasana”, hoy ireo mpikambana manana petra-bola ao. Nambaran’izy ireo fa “ny mpikambana no tompon’ny orinasa fa tsy ireo milaza azy ho mpitantana ireo. Volanay ihany no ampiasainay fa mpitahiry sy maka tombom-barotra amin’ny fomba hitadiavany izany fotsiny ireo mpitantana sy ny mpiasa ao”.
Tetsy an-kilan’izay dia mampiaka-peo koa ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ity ACOA ity nilaza fa “tsy misy olona na vondron’olona afaka mitonona ho Adminisitrateur Délégué-n’ny Acoa na ny sampany raha tsy efa mivoaka ny fahazoan-dalana mazava avy amin’ny fanjakana ka hahafahana manao fifidianana mazava sy mangarahara” nefa nahoana no korontanina tahaka izao ny “caisse” izay mba ahafahan’ny madinika mitahiry sy misambo-bola hihariany amin’ny fiainany. Nohamafisin’izy ireo hatrany noho izany fa “tsy lavitry ny resaka politika ity raharaha ity, ka atao izay hahafaty ny ACOA mba higalabonan’ny OTIV Littoral amin’ny fitantanana ny fampisamboram-bola madinika aty amin’ny faritra Atsinanana”. Mandeha ny feo fa misy HAT manalokaloka ity raharaha ity. Hentitra anefa ireto mpiasa sy ny mpikambana ary ny mpitantana ny tambazotra fa “raha tsy misy vahaolana haingana dia voatery handray fepetra hentitra izy ireo. Nitory sy nampiditra ny raharaha eny amin’ny fitsarana izy ireo ka miandry ny marina ahafahanay miasa malalaka lavitry ny fanakorontanana satria mijaly ny mpikambana izay tompom-bola noho ny antsojay lava.
Mbola tantara mitohy izany ity raharaha ACOA sy ny ACOA Modely ary ny OTIV Littoral ity. Mandra-pisian’ny vahaolana aloha dia mikatona tsy miasa ho an’ny mpikambana tompom-bola ao Ampasimazava.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.