Actualités

Satan’ny Asam-panjakana Tsy nosoniavin’i Madagasikara hatramin’izao ny fifanarahana iraisam-pirenena


  • Talata 13 Aprily 2010


Misy ny sata mifehy ny asam-panjakana voarakitra ao anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena. Hatramin’izao dia tsy mbola nanao sonia azy io i Madagasikara. Izay fitondrana nifandimby teo tsy nisy nanatanteraka izany. Anisan’ny voarafitra anatin’ity fifanarahana ity ny amin’ny zo hametrahana rafitra fifanakalozan-kevitra. Anisan’izany ihany koa ny amin’ny fankatoavana ny famelana hanangana sendika eo anivon’ny toeram-piasana. Tokony hapetraka eny anivon’ny minisitera anefa io rafitra io. Efa ela no tokony ho natao sonia io fifanarahana io, saingy tsy mety vita. Asa izay antony tsy namparisika ireo fitondrana rehetra nifandimby teo tsy niroso tamin’ ny fanaovan-tsonia izany. Tsy fantatra izay antony mampatahotra azy ireo. Mipetraka ny fanontaniana : mety hahazo fahalalahana be loatra ve ny mpiasam-panjakana raha vita sonia io fifanarahana io ?

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT