Misedra ny voka-dratsin’ny krizy ny orinasa malagasy. Mihena ny fanjifana kanefa mitobaka ny fampidirana entana tsy ara-dalŕna eny an-tsena.
Mampanahy ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny tetibola satria orinasa 210 amin’ireo 818 niasa teto an-toerana sisa no mijoro ankehitriny. Ankoatra izay dia tsy misy afa-tsy 19 koa ireo orinasa lehibe mbola mahazo tombony amin’ny asa sahaniny raha 99 ny fitambaran’izy ireo. Raha mbola mitarazoka ny krizy dia maro ireo ahiana hikatona raha ny fanamarihan’ny teknisianina. Anisan’ny mizaka ny tsy eran’ny ainy ireo orinasa mpanamboatra lamba toy ny Somacou. Tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2010 dia tsy mitsaha-mihena ny tsenany noho ny fitobahan’ireo entana vita sinoa. Ny 15%-n’ny tsena no lasan’ireo entana vahiny ireo raha ny kajikajy nataon’ny tompon’andraikitry ny orinasa. Vahaolana noraisin’ny sampandraharaha misahana ny fandintseranana hanenana ny fidiran’ny entana mora vidy na hosoka avy any ivelany ny fampiakarana ny haba alaina. Raha 800Ar isaky ny kilao no nalain’ny fanjakana teo aloha dia nakarina 3.400 Ar izany nanomboka tamin’ny 15 martsa teo. Ankoatra izay dia hatsaraina ny lafiny fanaraha-maso ny entana ka tsy maintsy mandalo scanner avokoa izy ireo. “Ny 15 %-n’ny entana miditra ihany no mandalo scanner noho ny antony ara-teknika fa ezahana ny hahatrarana ny 90% manomboka izao”, hoy ny minisitry ny tetibola Hery Rajaonarimampianina. Nandritra ny fihaonana faharoan’ny Minisiteran’ny tetibola tamin’ny sehatra tsy miankina tetsy amin’ny Colbert no nampahafantaran’ny minisitra ireo fepetra ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.