Actualités

Saha Sekoly Soanataondray : Hizara ny traikefany any Mali ireo teknisianina


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

Ivontoerana manofana momba ny asam-pambolena ny Saha Sekoly Soanataondray, ao amin’ny distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania izay tantanin’ny fikambanana Tefy Saina. Fampianarana eny an-tsaha avy hatrany no omen’ireo injeniera sy teknisianina miasa ao an-toerana ireo mpiofana ka ny ketsa tanora, ny fifehezana ny rano, ny fomba fandonahana ny tany, ny fifidianana sy fampiasana ny masomboly sy ny zezika no iompanan’izany.

 Reharehan’ny saha sekoly ankehitriny ny fahavitany mamokatra vary hatramin’ny 20 taonina isaky ny hekitara amin’ny alalan’ny fampiharana ireo teknika hitan’ireo teknisianiny. Tsy mialon-jafy moa ity farany satria na olon-tsotra na fikambanana tantsaha na mpianatra injeniera mamita ny fianarany dia raisiny avokoa. Misy mihitsy aza ireo mpianatra vahiny avy any ivelany no manaraka fiofanana ao aminy ka telo andro mazàna no faharetany. 1.500 ariary isan’andro ny saram-piofanana, 4.000 ariary ny fampiantranoana ary 10.000 ariary isan’andro ny sakafo. «Afaka mivezivezy koa izahay raha mifanaraka amin’ny olona mampiantso», hoy Randriamanantenasoa Jean Denis, filohan’ny sampana rezionalin’ny Tefy Saina. Ao anatin’izay indrindra dia efa misokatra amin’ny any ivelany ny fiaraha-miasany satria voantso any Mali hizara amin’ireo tantsaha maliana momba ny traikefa ananany ity saha sekoly ity. Efa vita ny fifampiraharahana fa miandry ny daty fiaingana sisa izy ireo raha ny fanazavan-dRandriamanantenasoa.  

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT