Actualités

Razanamahasoa Christine Heloka tsotra fa tsy antony ara-politika no anenjehana ireo «gadra politika»


  • Talata 13 Aprily 2010


Tsy mbola nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine sy ny Hetsiky ny  Mpitondra Fivavahana raha ny nambaran’ny minisitra iresahana momba ny raharaham-pirenena. Nambarany kosa anefa fa naharay ny taratasy mirakitra ny fangatahana famotsorana tsy misy hatakandro ireo voalaza fa gadra politika, avy amin’ireo mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny tenany. Nohamafisin’ity minisitra ity fa heloka tsotra noho ny fanapoahana baomba sy noho ny asa fanakorontanana teto amin’ny firenena no iampangana azy ireo fa tsy misy antony ara-politika akory. Araka izany dia gadra tsotra izy ireo fa tsy gadra politika araka ny hevitry Razanamahasoa Christine ihany. Ny fanadihadiana ataon’ny Fitsarana no afaka manameloka na tsia ireo gadra ireo ary tsy afaka hiditra amin’ny fahalalahan’ny fitsarana koa ny ministera, hoy izy.

Andry sy Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT