Niampy 2800 ny isan’ireo mpampianatra hiasa eny anivon’ny kolejy miankina amin’ny fanjakana.
Nivoaka mantsy ny lisitr’ireo mpampianatra voaray tamin’ny sivana nataon’ny ministeran’ny fanabeazana ka mizara roa mitovy ny isan’ny mpampianatra misahana ny literatiora sy ireo havanana amin’ny taranja siantifika. Mpampianatra FRAM manana ny mari-pahaizana bakalôrea sady efa nahavita dimy taona teo amin’ny sehatry ny fampianarana sy mpiadina manana ny mari-pahaizana “licence” no miakatra avokoa izy ireo. Mialoha ny handraisany asa anefa dia manaraka fiofanana mandritra ny 12 volana izy 2800 mianadahy izay mitsinjara amin’ireo ivotoeram-piofanana CRFP (Centre Régional de Formation Pédagogique) miisa 19 manerana ny Nosy. Ny 18 mey izao kosa no fidirana. Nanamarika ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Razafimanazato Julien, fa ho hentitra ny ministera mba hamoahana mpampianatra maodely amin’ny fitondran-tena sy ny fifehezana ny taranja tazoniny avy. Araka izany dia tsy maintsy mahafehy ny teny malagasy, frantsay ary anglisy ireo mpampianatra amin’ny sokajy literatiora. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ ireo sampana mampianatra kabary hifehezan’izy ireo ny tsipelin-teny. «Tsy maintsy hisy koa ny fanofanana iarahana amin’ireo ivotoeram-panofanana ny teny frantsay satria hita nandritra ny fitsapana fa saika naoty 4 ambonin’ny 20 avokoa no azon’ ny ankamaroan’ireo mpiadina tamin’ny taranja frantsay», hoy ny minisitra. Ny famolahana tanteraka ny taranja matematika sy ny fizika kosa no takiana amin’ireo sokajy siantifika. Tsy anavahana sokajy kosa ny fifehezana ny taranja fanatanjahantena. Mba hahatongavana amin’ireo fanamby ireo dia atao vaindohan-draharaha mandritra telo volana voalohany ny famerenana ny fandaharam-pianarana ampiharina amin’ny taona faha-6 ka hatramin’ny taona famaranana. Aorian’izay dia mifandimby ny fampiharana eny anivon’ny sekoly izay atrehan’ireo mpampiofana, ny fandrafetana boky momba ny fiofanana ary ny fitsapam-pahaizana izay hatao matetika. “Ho an’ireo izay hita fa tsy maharaka na koa maneho fihetsika mivoana amin’ny maha mpanabe dia efa nanomana lisitra mpiandry toerana 560 hasolo azy ireny ny ministera”, hoy Razafimanazato Julien.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.