Mitohy ny fisamborana mpanao gazety ataon’ny fitondrana Rajoelina. Omaly tolakandro dia nisy andiana mpitandro ny filaminana nandeha fiara tsy mataho-dalana nijanona nanoloana an-dRanaivoson Lucien, mpanao gazety avy ao amin’ny onjam-peo Feon’Imerina sy Rangodona Arison Guy, niandraikitra ny filaminana teny amin’ny kianjan’ny Magro. Araka ny fanazavan’i Lucien dia nasain’ireo miaramila niakatra avy hatrany tsy nisy fanazavana tao anatiny fiara izy ireo. Avy eo dia nentina nihazo ny borigadin’ny zandary eny Betongolo. Ranaivoson Lucien no mpanao gazety faha-4 voasambotra tato anatin’ny folo volana, taorian’i Evariste Ramanantsoavina (Radio Mada), Didier Ravoahangiarison sy Lalot Ratsimba (Radio Fahazavana). Raha vao naheno anefa ny teny Betongolo fa mpanao gazety ny tenany dia somary nilefitra ihany ka navotsony avy hatrany tsy nalaina ambavany. I Guy kosa dia notazomin’ireo mpitandro ny filaminana. Araka ny fanazavana ihany dia nilaza ireto farany fa efa ela no nikarohana an’i Guy satria voalaza fa nanao vava tsy ambina tamin’ny mpitandro ny filaminana ny 29 martsa lasa teo. Tsy tokony hahakivy ny mpanao gazety ny tranga toy izao, hoy i Lucien satria ny mpanao gazety dia tokony harovan’ny lalàna eo am-panatanterahana ny asany. Nanamarika anefa izy, fa tsy ny asa fanaovan-gazety no lasa mampatahotra ankehitriny fa ny mandeha eny Anakaley mihitsy no lasa mampatahotra. Tsy nisy moa ny herisetra tamin’ny fisamborana sy fitazonana azy roa lahy ireto. Hatramin’ny fotoana nanoratany dia mbola voatana eny Betongolo i Guy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.