Actualités

Raharaha Spat Namaly ireo mpanenjika azy ny Funreco


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Namaly ireo mpiasanny seranan-tsamboni Toamasina sy ireo orinasa manenjika azy i Maminiaina Rasolondraibe, Tale jeneralinny Funreco.

Nambarany fa tsy mitombina ireo fiampangana azy, ary manalabaraka sy manimba ny zo maha olom-pirenena ny tenany. Momba ny seranan-tsambon’i Toamasina manokana dia nambaran-dRasolondraibe fa ny orinasany (Funreco) tokoa no nisahana ny fandraisana ny tahirim-bola handoavana ny fisotroan-drononon’ny mpiasa tao an-toerana nanomboka tamin’ny taona 2001 na dia tsy misy aza ny lalàna nahafahany nanao izany. Nahazo ny fankatoavan’ny an-tanatohatra rehetra anefa ny Funreco ka afaka niasa ara-dalàna. Raha ny fifanarahana dia aloan’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’ny Funreco ny 14%-n’ny karaman’ny mpiasa hanomanana ny fisotroan-dronono. Niato anefa ny fifanarahana tamin’ny taona 2002 noho ny krizy ary tsy nahaloa io vola io mihitsy ny seranana. Niverina nifanaraka indray ny 2 tonta ny taona 2004 saingy tapaka indray izany telo taona taty aoriana satria nanda tsy nety nanome io vola io ny Tale jeneraly tamin’izany fotoana ary toa izay ihany koa no fanapahan-kevitry ny mpandimby azy raha ny nambaran’i Maminiaina Rasolondraibe.

«Niakatra fitsarana tao Toamasina ny raharaha saingy nilaza ho tsy mahefa mitsara ny fifanolanana ny fitsarana tany an-toerana ka nafindra aty an-drenivohitra izany. Marihiko fa nandresy hatrany izahay saingy tsy mbola nahazo ny trosanay mitentina enina miliara Ariary avy amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izahay», hoy ihany ny talen’ny Funreco. Tamin’izao andron’ny tetezamita izao dia namoaka didy hanomezana ny Funreco ny volany ny fitsarana. Nambaran-dRasolondraibe fa rehefa azony ny volany dia omeny ny fisotroan-drononon’ireo mpiasa. Mihenjan-droa izany ny tady satria ny tompon’andraikitry ny seranana dia efa nanambara fa tsy afaka ny hanome io vola io satria hadio koa ny tahiriny raha bangana io vola be io. Ireo mpiasa efa misotro ronono miaraka amin’ireo mpiasa ankehitriny koa anefa mandrahona fanakatonana ny seranana raha toa ka misy ny fanomezam-bola an’i Maminiaina Rasolondraibe.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT