Actualités

QMM - Rio Tinto «Tsy marina ny filazana fa mampihena ny isan’ny mpiasa izahay …»


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Manoloana ny resaka mandeha etsy sy eroa dia manamarika ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny QMM ao Tolagnaro fa tsy miditra amin’ny resaka «chômage technique» izany ity orinasa goavana mitrandraka ny fasimainty ity ary tsy mbola misy mihitsy hatreto aloha, ny eritreritra hanao izany.

Tahaka ny orinasa rehetra kosa anefa dia misy ireo mpiasa izay tapitra ny fifanaraham-piaraha-miasa ka mijanona tsy miasa intsony, eo koa ireo voasazy ka mety miato kely tsy miasa, ary misy koa ny nandika ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny orinasa ka voaroaka tsy ho anisan’ny mpiasa intsony. Tsy mitombina, araka izany, ny filazana fa mieritreritra ny handroaka tsimoramora ireo mpiasa ary hiala tanteraka eto Madagasikara ny QMM – Rio Tinto. Mitohy ny tetikasa, efa nisy rahateo ny fandaharam-potoana sy drafitra napetraka izay tsy maintsy arahana an-tsakany sy an-davany. Marihina fa ity orinasa mitrandraka fasimainty ity no anisan’ny mampiditra vola vahiny be indrindra eto amintsika miaraka amin’ny Dynatec izay mitrandraka ny nikela sy kôbalta any Moramanga. Mananika ny efatra miliara dolara eo ho eo, raha atambatra ny fampiasam-bolan’ireo orinasa roa ireo eto Madagasikara amin’izao fanombohan’ny tetikasa izao. Efa mirotsaka amin’ny fanamboarana lalana sy sekoly ary toeram-pitsaboana koa anefa izy ireo, tsy adino ny tetikasa manokana ho fiarovana ny tontolo iainana. Mety mbola hitombo ny fampiasam-bola raha mizotra tsara ny tetikasa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT