Actualités

Paska 2010 Toamasina Olona 25 no naiditra hopitaly


  • Alarobia 07 Aprily 2010

Feno hipoka ny trano fivavahana ny alahadin’ny Paska, tomefy vahoaka ihany koa ny moron-dranomasina sy toeram-pitsangatsanganana rehetra tao Toamasina ny alatsinainy. Nisafidy izay tiany ny olona sy ny fianakaviana.

Raha ampitahaina ny tamin’ny taona lasa dia efa hita taratra ao an-tokantranon’ny fianakaviana maro ny krizy herintaona izao, maro tazanina mantsy ny fianakaviana niala voly, fa ny habetsahany dia tsy nisy ampahatelon’ny alatsinain’ny Paska hatramin’izay kosa.

“Tsy nieren-doza ny Paska” raha ny zava-misy tao amin’ny hopitaly be sy ny tatitra azon’ny zandary sy ny polisy no jerena. 25 ireo narary sy naratra niditra ny vonjy aina tao amin’ny hopitaly be Toamasina hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva, ny 3 vokatry ny lozan-dranomasina nandritra ny filomanosana natao, ny manodidina ny lycée Jacques Rabemananjara iny no tena nahitana ireto loza ireto, tovolahy iray tokony ho 15 taona no maty vokatra izany, ilay tovolahy sy tovovavy hafa kosa avotra ihany raha nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo tao amin’ny hopitaly be. Ny 10 tamin’ny loza kosa dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ka Scooter sy moto no nahatonga azy. Niisa 4 kosa ireo dokotera efa miasa sy mpitsabo mpiana-draharaha niasa nanao ny vonjy aina tao amin’ny hopitaly be ankoatra ny mpibata ny marary iray. Tsy hita sy tsy tazana kosa ireo mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ary ny teknisiana manokana misahana ny fitiliana sy ny fitarafana tanteraka ny teny nataon’izy ireo ny alakamisy lasa teo. Ho an’ny mpitandro ny filaminana mitambatra kosa, dia tsy tazana loatra izy ireo afa-tsy ireo “be moto” sy ireo nisahana ny lalam-pirenena ary ireo nitaingina vedety nanara-maso ny sisin-dranomasina, izay indroa niverina ihany tao anatin’ny tontolo andro. Raha nanontaniana ny Ben’ny tanàna, Dr Rakotomanana Gervais amin’ny maha-tompon-tanàna azy, dia hetsika vaovao no nentina ka tsy nampanaovina fanamiana ireo mpitandro ny filaminana ireo mba hanamora ny fanaraha-maso ireo jiolahy sy ny raindahiny amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery amin’ny toerana vory olona. Ho azy ireto kosa dia iray no maty, ka teny amin’ny tetezan’ny “Verrerie” Morarano no nitrangany. Ankoatra izay dia nahatratra 18 ny zaza sy ankizy very hita niarahany nisalahy tamin’ny Croix Rouge Malagasy. Nanomana lanonana goavana teny amoron-dranomasina moa ny Kaominina, niangalian’ny mpanakanto avy tarika valo avy ao Toamasina. Nahazo ny anjarany koa ny ankizy sy ny zaza tamin’ireo kilalao natokana ho azy izay fiaraha-miasan’ny tsy miankina mandraharaha sy ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.
 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina Ambohiperivoana
  • Talata 21 Aprily 2026

Mitokona mitaky ny fialan'ny

  • 10 VOLANA ATY AORIANA
  • Talata 21 Aprily 2026

Mbola misitery tanteraka ny raharaha Ambohimalaza

  • FOMBA FANAON’NY TEO ALOHA
  • Talata 21 Aprily 2026

Io fa mitady hiverina ilay hoe : « Merci Président »

  • Kaominin’Ambatomarina
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila angovo azo avaozina,

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

Hijery ny tohiny
FTT