Actualités

Orinasa Tiko : Tratry ny halako bika tsy tiako tarehy


  • Sabotsy 27 Martsa 2010

Ny halako bika tsy tiako tarehy, tsy mila Ravalomanana miverina, tsy mila ny orinasa Tiko mihodina.

Ireo no ambadiky ny ankamaroan’ireo raharaham-pitsaran’ny vondron’orinasa Tiko, afa-tsy ireo raharaha fitakian-trosa noho ny zava-misy eto amin’ny firenena, araka ny fanazavan’ireo mpisolovava ity orinasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity. Tsy manda izay mety ho trosa ara-dalàna ny orinasa, araka ny fanazavana ihany. Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’ireo manana trosa aminy ny orinasa Tiko mba hanome ny porofo na fanamarinana momba ny trosa. Araka ny vaovao dia tsy olana ho an’ny orinasa ny fanefana ireo trosa ireo raha toa ka avela miasa malalaka izy. Manoloana ireo antsojay ataon’ny FAT amin’ny orinasa Tiko dia tsy lefitr’ireo mpiasa sy ny orinasa ireny ka dia nampiditra raharaha tao amin’ny fitsarana ny Tiko. Tamin’izany no nangatahan’izy ireo ny amin’ny tokony hampiatoana ny fakana sy ny famarotana ny entan’ny Tiko, ny fanalalahana ny fivezivezen’ireo mpiasa, ny fanesorana ireo fanagiazana, ny tsy tokony hamelana ireo olona hafa na miaramila na sivily manelingelina ny fampandehanana ny oriansa, ary eo koa ny fifaneken’ny orinasa sy ny fanjakana hanao letsy trosa. Araka ny vaovao dia neken’ny fitsarana avokoa ireo fangatahana ireo, ary dia efa namoaka didy ny fitsarana ady maika ka dia nisy ny ‘ordonnance’ navoaka, laharana 9567 ny 2 novambra 2009.

Hatramin’izao anefa, dia tsy tanteraka io didim-pitsarana io. Anisan’ny dosie nitondran’ireo mpisolovava fanazavana koa ny raharaha tany. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpisolovava dia ara-dalàna ary azo nialoha ny naha filohan’ny repoblikan’i Madagasikara an’i Marc Ravalomanana ny tany ananan’ny Tiko. Iray amin’ireny ny tany misy ny Tiko Farm any Antsiranana. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava, Andriamadison Hasina, dia tsy an’ny miaramila, araka izay dradraina io tany io fa an’ny foibe fanofanana ara-teknika momba ny fiompiana ao Antsiranana. 24 taona, raha kely no nampanofana io. Antso àry no nataon’ireo mpisolovava amin’ireo miaramila mba hiala tsy hibodo ny tany ary dia niantefa tamin’ny praiminisitry ny FAT, Camille Vital ny antso nataon’izy ireo. Ny momba ny raharaha tany etsy Andohatapenaka koa dia voalaza fa tanim-panjakana namidy tamin’ny Tiko sy Alma io ary dia misy taratasy mandrakitra izany. Nandoa vola ara-dalàna ary misy rosia fanamarinana izany. Taorian’ny fividianan’ny orinasa io tany io vao nototofana ny tany fa tsy araka izay nolazaina hoe nialoha ny nividianan’ny orinasa ny tany tamin’ny fanjakana no nanovana izany. Ankoatra izay, dia tsy nahafantatra ny fisian’iny fitsarana iny ireo mpisolovava.

Nohamafisin’ny mpisolovava, Hanitra Razafimanantsoa, Radison Solo ary Andriamadison Hasina fa betsaka ny tsy fanarahan-dalàna fa dia fitsarana politika avokoa ireny. Fantatra fa raha ny sandan’ny entan’ny Tiko norobaina sy nalaina an-keriny dia tsy hita noanoa. Raha ny vary natao antoka ho an’ny banky, ohatra, dia efa tsy latsaky ny 40 miliara; ny trosa lazain’ny fadin-tseranana fa tsy voaloan’ny Tiko anefa dia 5 miliara. Araka ny fanazavan’ireo mpisolovava ihany dia efa ananan’izy ireo ny anaran’ireo mpitondra FAT naka ny vary sy ny fiaran’ny filoha Ravalomanana. “Manana telo taona izahay hitoriana ireo olona ireo”, hoy ny mpisolovava Andriamadison Hasina. Momba ny vokatry ny orinasa Tiko izay hita eny an-tsena eny dia misy ampahany mihodina ny orinasa toy ny famokarana fromazy saingy ny dibera, araka ny fanazavana dia hosoka ireo hita eny an-tsena ankehitriny. Tafiditra amin’ny paikady fanaratsiana ny orinasa izany, araka ny fanazavana ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT