Actualités

Oniversite Toamasina Miparitaka ny trakta, mafampana ny ao Barikadimy


  • Talata 06 Aprily 2010


Ny alakamisy 1 aprily teo, izay tsy «poisson d’avril» velively, no niparitaka tao Barikadimy Toamasina, ny trakta milaza fitakiana sy fitokonana raha tsy mivaly ny fangatahana. Izany fikambanana M.A.FI  Mpianatra hoavin’ny Firenena» izany no manaparitaka ity trakta ity. Miisa dimy ny fitakiana napetrany izay anomezany 72 ora, izay nifarana ny sabotsy teo, ny tompon’andraikitra hijery izany. Fitakiana ny fialan’ny Sojaben’ny fampianarana momba ny fitantanana sy ny toekarena ary ny lalàna, fandraisana manontolo ny mpianatra rehetra nandefa antontan-taratasy, fampitomboana 45% ny tahan’ny vatsimpianaran’ny mpianatra rehetra, fizarana ara-drariny ny trano ho an’ny mpianatra mahafeno ny fepetra, ary ny fahazoan-dalana manarina sy manamboatra trano ao Ambalajia, izay no votoaty ankapoben’ity trakta miely ity.

Niezaka nanontany ireo tompon’andraikitry ny fiadidian’ny oniversite ao Toamasina izahay, saingy tsy nisy azo izy ireo. Tsy ao an-toerana fa namita iraka any ivelany ny filohan’ny oniversite, Horace Gatien. Ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, izay nilaza ny tsy hanononana ny anarany, nifampiresahana mikasika ity trakta ity kosa dia nanamafy fa “mangotraka ny ao Barikadimy ao, na tazanina mianatra sy mangatsiaka aty ivelany aza. Miantraika amin’ny mpianatra ny krizy lava reny. Ity trakta miparitaka ity, na misoratra amin’ny fikambanana voalaza io aza, dia inoako fa mpianatra maro no manohana azy. Raha tsy misy fepetra raisina ato ho ato dia mino aho fa hangotraka tahaka ny efa ahalalana azy ny ao Barikadimy ao». Nifarana ny 3 aprily izay mahafeno ny 72ora azy ny fe-potoana nomen’ny fikambanana M.A.FI. Andrasana izany izay ho tohin’ny raharaha sy ny soso-kevitra ary vahaolana avy amin’ny fiadidian’ny oniversite Barikadimy.

 
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT