Actualités

Oniversite Barikadimy Raikitra ny famoahana mpianatra an-dakilasy


  • Talata 13 Aprily 2010


Nitokona ny mpianatra eo anivon’ny fampianarana fitantanana sy ny toekarena ary ny lalàna eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina ny alatsinainy12 aprily 2010, tontolo andro teo. Nisy ny famoahan’ireo mpianatra sasany ny namany mbola nianatra tao anaty kilasy nisy azy ireo. Ny antony dia mbola tohin’ilay trakta nataona andiana mpianatra ny herinandro lasa iny.

Voalaza tao anatin’ilay trakta ny fitakiana “ny fametraham-pialan’ny Sojabe ao amin’ny fakiolten’ny DEGS ao Barikadimy, ny fampakarana 50% ny vatsim-pianarana, ny fandraisana ireo mpianatra rehetra nahafeno antontan-taratasy ary ny fanomezana trano azy ireo, indrindra fa ireo avy amin’ny faritra hafa”. 72ora no nomen’ny mpianatra nanao ilay trakta tamin’izay, nefa io omaly alatsinainy io vao nisy ny famoahana mpianatra tao an-dakilasy nataon’ny mpianatra sasany ary nisy koa ny fikasana hanakatona ny biraon’ny DEGS ao Barikadimy amin’ny fanalana ny Sojabe, Velotrasina.
Manahy ny hitaran’ny raharaha ny mpianatra ao Barikadimy. Ny fampianarana anefa izao vao hanomboka ho an’ny sasany na efa misy am-perinasa aza ny taona faharoa sy fahatelo ary ny fahefatra. Milaza ny hanohy ny hetsika ho mafy kokoa anefa ireo mpitarika ity hetsika ity manomboka anio talata mandra-pisian’ny valiny mahafa-po avy amin’ny filohan’ny oniversite Horace Gatien sy ny Sojabe Velotrasina.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT