Actualités

Nouvelle Brasserie de Madagascar Mety hisokatra amin’izay


  • Zoma 19 Martsa 2010

Efa ho sivy volana izao no niandry ny taratasy fahazoany misokatra ity orinasa famokarana labiera izay miorina ao Ambatolampy ity.

Efa voaomana avokoa ny rehetra momba ity orinasa ity, fa dia ny taratasy ahazoany mivarotra ny vokany no sisa tsy nivoaka. Araka ny feo nandeha anefa, dia ny Minisiteran’ny toekarena no tsy namoaka ny taratasy. Tsy nipetra-potsiny ireo mpiasa izay efa miisa 120, fa nanao izay ho afany tamin’ny fikarakarana na dia nandray karama ihany aza ry zareo tao anatin’izay sivy volana izay.

Fantatra ary izao, fa ny Minisiteran’ny tontolo iainana no tsy mbola namoaka ny taratasy momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ka nampanantena izy fa hamory ireo teknisiana momba ny fikajiana ilay orinasa ny tontolo iainana.
Zava-dehibe ho an’ny mponin’Ambatolampy moa ny fisokafan’ity orinasa ity, satria taorian’ny nikatonan’ny orinasa Lalasoa izay mpamokatra ronono sy ny orinasa mpamokatra “contre plaquet” Malgapan, dia maro ireo tanora tao an-toerana tamin’izany no very asa. Nanahy ny isian’izany koa ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra satria voatery hisy indray ny “chômage technique” raha tsy misokatra ity orinasa ity.
Efa ho vonona ary izao izay taratasy izay, ka dia hifaninana eto ny labiera soavaly telo sy ny labiera Skol izay hovokarin’ny NBM.
 
Rabe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT