Actualités

Nisahotaka tao amin’ny HJRA Tezitra amin-dRajoelina ny Paramed


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Miroso amin’ny dingana henjakenjana kokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana mitokona. Taorian’ny fivoriambe mahazatra azy ireo tao amin’ny HJRA dia niara-nirohotra nitety ireo sampandraharaha rehetra misy ao an-toerana izy ireo ka nampody ireo mpiasa sy mpiana-draharaha rehetra.

«Nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra isaky ny sampandraharaha sy ny mpitantana ny hopitaly hamela ireo mpiasa hitokona satria maro no mitaraina ho mahazo fandrahonana avy amin’ny lehibeny» araka ny nambaran’i Marcellin Razafimahefa, mpitsabo mpanampy. Nandao ny asany avokoa, araka izany, ny ankamaroan’ny mpitsabo mpanampy sy ny mpiasa misahana ny fampandehanan-draharaha ka anisan’ireny ny teo anivon’ny vonjy aina. Noho ny maha saropady ny sampandraharaha fitarafana na ny «radiologie» kosa dia solontena ihany no nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra tao an-toerana fa niandry tamin’ny toeran-kafa kosa ny mpitokona rehetra. Hitohy anio ny hetsika ka paikady vaovao indray no hampiharina, araka ny fanambaran’i Marcellin Razafimahefa ihany. «Na inona hidona na inona hitranga dia tsy hanaiky intsony izahay manoloana ny fanambaniana», hoy izy.

Tompon’antoka

Ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana dia i Andry Rajoelina mihitsy no vato misakana amin’ny famahana ny disadisa ateraky ny fangatahana ny sata manokana. Nampanatsoin-dramatoa Ramakavelo Hanta, mpanolotsain’i Andry Rajoelija ireo solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana ny alatsinainy hariva teo, tao amin’ny biraon’ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Nambaran’ity farany tamin’izany fa tsy azo ekena ny fangatahana fampiakarana ny mari-karama ho 1.200 ary tazonina ho 20.000 ariary ihany koa ny “indemnité de sujétion” isam-bolana. Ho an’ny mpitsabo mpanampy anefa dia misy ny mizàna tsindrian’ila satria nolavin’ny Fanjakana ny fangatahan’izy ireo raha nekena kosa fampiakarana ho 1600 ny “point d’indice”-n’ny mpitsabo raha 950 izany amin’izao fotoana. Nanambara mihitsy moa Ramakavelo Hanta, mpalontsain’i Andry Rajoelina, raha ny tatitra omaly ihany fa “mpitsabo izy ireo fa ianareo kosa tsy mpitsabo ka tsy afaka manao mihoatra ireo ny Fanjakana”.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT