Nitatatata ny feom-basy teny Anosy sy ny manodidina ny alarobia 17 martsa tamin’ny fiandohan’ny tolakandro.
Miaramilan’ny hery vonjitaitra manokana na FIS, izay rafitra najoron’i Andry Rajoelina nametrahany ireo miaramila nanohana azy akaiky teny amin’ny 13 Mey sy tamin’ny nandrombahany fahefana saingy tsy fantatra mazava ny maha ara-dalàna azy no nanao izany. Ho an’ny mpitazana dia te hampiseho ireto miaramilan’ny FIS ireo, io omaly io, fa any amin’izy ireo ny hery ka aza manandrankandrana. Fiara kely marika Toyota Yaris telo no tazana nentin’izy ireo nivezivezy teny an-toerana. Nijanona teo afovoan’ny arabe, nanelingelina ny fifamoivoizana ny fiaran’izy ireo raha nisy andian’olona nitsoka kiririoka sy nihorakoraka teny amin’ny manodidina. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nisy fiara marika Toyota Camry, saika hampiasaina handraisana ny fihaonambe an-tampon’ny faha-13-n’ny Firaisambe Afrikanina, nitondra mpikambana HAT nandalo ka nisy nitoraka. Nisisika nanavo-tena hirifatra ilay fiara, kinanjo nikasoka tamin’ny fiaran’ny FIS, izay no nampivoaka ireo miaramila vitsivitsy ary tsy nihambahamba nanapoaka ny basy teny an-tanan’izy ireo.
Tifi-danitra tamin’ny bala tena izy no nataon’izy ireo, nanaparitahana izay olona nitangorongorona teny, eny fa na hatramin’ny mpiandry taxi be teo Anosy aza. Nanamarina izany ny fanambarana an-gazety niainga avy ao amin’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena nilaza fa “ny mpitandro ny filaminan’ny EMMO dia tsy nampiasa basy fa ny avy ao amin’ny FIS no nanao tifi-danitra”. Rehefa nojerena ny vodi-bala niraraka tamin’ny tany, avy nampiasain’ireto miaramilan’ny FIS ireo, dia nahitana marika “6192”. Rehefa nanontaniana ny mpahay momba ny fitaovam-piadiana izany, dia nitovy ny filazan’izy ireo fa bala fampiasan’ny polisy izy io. Mbola io serasera io no nanamarika fa “nisy nitifitra tamin’ny bala plastika ny SICAM etsy Analakely kanefa ny mpitandro ny filaminana dia tsy nampiasa io fitaovana io mihitsy ny androany (omaly)”. Ny lehilahy iray, 65 taona, naratra tao anatin’ny hetsiky ny ankolafy telo omaly ary tsaboina ao amin’ny HJRA anefa dia bala fingotra no niantefa teny amin’ny handriny ka namparatra azy. Koa avy aiza ary ireo bala fingotra ireo ? Ny fanadihadiana no hanome valiny amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.