Raha nampiato ny fitokonany ireo mpitsabo ny 18 febroary dia hiverina hitolona indray ny alakamisy 25 martsa izao.
Noho ny fangatahan’ireo mpiara-mitolona any Fianarantsoa sy Toamasina no nanemorana ny daty hanatanterahana ny hetsika izay tokony ho natomboka anio araka ny nambaran’ny dokotera Zodaly, filoha lefitry ny sendikan’ny mpitsabo. «Hiara-mientana avokoa ny rehetra amin’io alakamisy io ankoatra ny any Mahajanga izay milaza fa tsy handray anjara amin’izany izy ireo satria avy any aminy, hono, ny praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana», hoy ity solontena miara-midinika amin’ny fanjakana momba ny famerenana ny hasin’ny mpitsabo ity. Raha ny fanazavany ihany dia fandrirarirana no ataon’ny mpitondra ka mahatonga ny fanapahan-kevitra. «Araka ny resaka nifanaovanay tamin’ireo minisitra telo mirahalahy dia nanambara izy ireo fa misy tsy mazava amin’ny filohan’ny HAT indray, hono, ny mampiavaka ny mpitsabo tsotra sy ny mpitsabo manana fahaiza-manao manokana ka ilana fandinihana tsara ny fanomezana ny tombontsoany avy». Ankoatra izay dia nambaran’ireto minisitra koa fa tsy zakan’ny kitapombolam-panjakana ny fampitoviana ny mari-karaman’ny mpitsabo amin’ny mpiasam-panjakana ambony nivoaka teny amin’ny ENAM ka ilana fanamboarana. Nomarihin’ny dokotera Zodaly anefa fa i Andry Rajoelina mihitsy no niara-nifanaiky tamin’izy ireo momba ny fanomezana ireo tombontsoa ireo rehefa manam-bola ny fanjakana ka 70.000 ariary monja ny elanelany raha oharina amin’ny vola raisin’ny mpitsabo ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.