Actualités

Mpiasan’ny fahasalamana Ho henjana kokoa ny fitokonana


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Raha nangingina ireo mpitsabo mpanampy sy ny mpiasa misahana ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny hopitaly tamin’iny herinandro lasa iny noho ny fisian’ny fifampidinihana amin’ny fanjakana foibe momba ny fangatahan’izy ireo sata manokana dia mampiaka-peo indray izy ireo ankehitriny.

Avy masiaka tokoa izy ireo satria omeny fe-potoana hatramin’ny zoma izao ny mpitondra hanekena sy hamoahana ny didim-panjakana momba io sata manokana io. «Raha toa ka tsy hasian-teny mandritra ny filankevitry ny minisitra amin’ity herinandro ity ny momba io fangatahanay io dia hiditra amin’ny hetsika mafimafy kokoa noho izay rehetra hatramin’izay izahay”, hoy ny major Ralivao Odette miasa eo anivon’ny HJRA. Antony mampisafoaka azy ireto ny ambarany ho fandrirarirana lava. «Efa tamin’ny taona 2009 izahay no nitokona izany hoe talohan’ny hetsiky ny mpitsabo. Ny azy ireo anefa efa azo lazaina ho mandeha ihany ka tsy rariny izany aminay. Tsy mety ny manao fitondrana tsy mitovy satria samy zaza iray ihany izahay» araka ny fanazavan’ny major Rado avy amin’ny CHD2 Manjakandriana. Marihina fa nanova paikady ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto ka ireo “major de service” amin’izay no miditra an-tsehatra amin’ny fanentanana ireo mpiasa eo ambany fahefany hanamafy ny fitakiana manomboka izao. Raha ny nambaran’izy ireo omaly nandritra ny fivoriana tetsy amin’ny HJRA dia misy hatrany ny fampihorohoroana mihatra amin’ ireo mpiasa mitokona. Nampitandrina ireo tompon’andraikitra izay manao fandrahonana fandroahana, famindran-toerana ary manome fangataham-panazavana, araka izany, ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT