Actualités

Mpiasa tany Liban Tovovavy iray vao tonga, lasa very saina


  • Zoma 19 Martsa 2010

Mitombo hatrany ny isan’ireo tovovavy nila ravinahitra tany Liban miverina eto an-tanindrazana ankehitriny.

Tamin’ity herinandro ity, tovovavy iray indray no tafaverina eto an-tanindrazana. Tokony ho roapolo taona eo ho eo ilay tovovavy. Teo am-pahatongavany, dia hita ho verivery saina ilay tovovavay, sady tsy manana fitadidiana izany. Tsy vitan’izay fa misy mangana ihany koa ny vatany. Avy hatrany moa dia nentin’ny fianakaviany tany amin’ny hopitaly ity zazavavy ity.

Tato ho ato, dia nisesy ny fahatongavan’ireo mpiasa avy tany Liban nody namonjy tanindrazana noho ny tsy fahazakana ny zavatra niainana toy ny vono sy ny herisetra ary ny fanolanana ataon’ireo mpampiasa. Tato anatin’ny herinandro izay, dia telo no tonga, izay saika nitondra takaitra avokoa. Nisy moa ireo izay namoy fo tanteraka, ka niafara tamin’ny famonoan-tena.

 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT