Actualités

Mpandeha avy any Toamasina : Maty tao anaty fiara


  • Alakamisy 25 Martsa 2010


Mpandeha iray niainga tany Toamasina tamin’ny zotra Kofmad no nindaosin’ny fahafatesana teny an-dalana. Efa somary tsy salama loatra ilay rangahy namoy ny ainy teo am-piaingana tany Toamasina ary nobataina mihitsy izy niditra tao anaty fiara. Tsy nivoaka nisakafo mihitsy izy teny an-dalana fa nijanona hatrany tao anatin’ilay Boeing nitondra azy. «Tsy nanampo na inona na inona mihitsy izahay fa noheverinay fa noho ny tsy fahasalamany no nijanonany tao anaty fiara», hoy ny mpanampy ny mpamily. Tonga teny Ambodivona tamin’ny 5 ora sy 10 minitra maraina ilay fiara saingy tsy nivoaka ihany ranamana raha efa lasa namonjy fodiana avokoa ireo mpandeha rehetra. Teo vao fantatra fa efa tsy miaina intsony ilay rangahy ka nampandre ny Brigade Criminelle ny tompon’andraikitry ny Kofmad. Rehefa nosavaina ny kara-panondrony dia izany Rakotonaivo Sylvain izany no anarany ary eny Antetezana Afovoany no fonenany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT