Actualités

Morondava Samy mandeha samy mitady


  • Talata 09 Martsa 2010

Tao anatin’ny savorovoro no nankalazana ny andron’ny 8 Martsa tao Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe.

Tsy nitovy hevitra ny mpikarakara teo amin’ny endrika enti-mankalaza ny andron’ny vehivavy tamin’ity taona 2010 ity, tao an-toerana. Ireo komity mpikarakara ny 8 martsa hatramin’izay dia efa iray volana no nanomana filaharambe toy ny mahazatra hanehoan’ireo fikambanam-behivavy sy ny mpiasa, eny fa na olon-tsotra mandray anjara, ny avy amin’ny FIAM (Fikambanan’ny Andriambavilanitra Malagasy), nanankinana ny fanomanana ny fankalazana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, araka ny teny midina, dia voly ananambo no entina hanamarihana ny andron’ny 8 martsa fa “efa sahirana ny olona, ka tsy tokony holaniana andro hilahatra”. Niezaka nanao fanelanelanana ny Faritra Menabe fa tsy nahavaha olana. Tsy nihemotra ny fikambanana fa dia voly ananambo no hatao, ka ao amin’ny Kaominina Bemanonga no hanatanterahana ny hetsika. Tonga ny andron’ny 8 martsa, nanepoka tsy nipoitra tamin’ity voly ananambo tany Bemanonga ity ireo vehivavy mafana fo tao amin’ny Komitin’ny 8 Martsa tao Morondava hatramin’izay.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT