Actualités

Mijojo ny orana any Alaotra Tapaka ny RN44, am-polony ny trano rava


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Miakatra ny rano any Alaotra any, vokatry ny fijojonny orana efatra andro nisesy izay. Difotry ny rano ny tanimbary an-jatony hekitara ao aminny PC15, kaominina Ampitatsimo, tapaka ny lalam-pirenena faha-44 lasanny rano ny tetezana ao Ambalavato, PK 141, kaominina Manakambahiny.

Indroa miantoana ny fahatapahana, araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Ramandehamanana Richard. Voatery mifindra fiara ny mpandeha vokatr’izany. Omaly dia niezaka ny nametraka tetezam-by, na “pont bailey” teo amin’io toerana io ny avy amin’ny Faritra sy ny Kaominina nahafahana mamerina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena iny. Trano maromaro tao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka ihany koa no ravan’ny orana. Manodidina ny 70 eo no traboina. Be ny mpanararaotra vokatr’izany, toy ny nanjo ity mpivarotra iray tao amin’ny kartie Madiotsifafana. Narodan’ny orana ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata tokony ho tamin’ny iray ora maraina ny trano fitobian’entana. Tsy nisy ny aina nafoy saingy najifan’ny mpanararaotra ny entana, raha nanavotra aina niala sao nirodanan’ny rindrina ny mpianakavy.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT