Actualités

Masoivoho Amerikanina Hosantarina anio ny trano eny Andranomena


  • Zoma 02 Aprily 2010


Hosantarina anio ilay toeram-piasana vaovaon’ny masoivoho Amerikanina eto amintsika. «Point Liberty» moa no anarana nampisalorana azy ity, ary eny Andranomena no misy azy. Ilay trano mijoalajoala vao vita ampitan’ny point Pacom no tian-kambara amin’izany. Raitra dia raitra tokoa ary mitovy lenta amin’ireo tranon’ny masoivoho amerikanina any amina firenena maro maneran-tany ity eny Andranomena ity. Ny fanjakana Amerikanina moa dia nanamafy ny fitandroana ny fandriampahalemana amin’ny toerana hiasany rehetra taorian’ny asa fampihorohoroana nitranga tany Etazonia 11 septambra 2001. Fantatra ihany koa izao fa mety ho amin’ity anio ity no hanambara ny fahitan’i Etazonia ny fepetra noraisin’ny Vondrona Afrikanina, ka namoahany ny lisitr’ireo 109 mianadahy voasazy ny, masoivoho amerikanina monina sy miasa eto amintsika, Niels Marquartd. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT