Ahiana mafy ny olana ara-pamatsiana sakafo sy ireo zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro any Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana vokatry ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faha-12 ao Irondro sy Kianjavato.
Tsy manana afa-tsy tahirin-tsakafo sahaza herinandro eo, raha ny ao Manakara fotsiny, mety ho latsak’izay anefa ny any Mananjary izay voa mafy tokoa vokatry ny fandalovan’ny rivodoza “Hubert” ny herinandro lasa teo. Ny lalana anefa araka ny tombantomban’ny teknisianina dia mety tsy ho tafarina ato anatin’ny roa herinandro noho ny halehiben’ny fahavoazana. Miantraika amin’ny vidin-javatra izany, noho ny fitombon’ny saran-dalana. Tao anatin’ny 24 ora, raha ny ao Manakara manokana, dia nisy fiakarana 150Ar be izao ny vidin’ny fotsimbary iray kapoaka. 450Ar izany nanomboka omaly talata raha toa ka 300Ar talohan’io. Hisy delegasiona avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, tarihin’i Andry Rajoelina raha tsy misy ny fiovana, hidina any an-toerana anio. Tsiahivina fa efa naniraka ny Praiminisitra Camille Vital izy ireo ny sabotsy 13 martsa teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.