Raha mihevitra ny maro fa vita hatreo ny resaka PDS ao Manakara, taorian’ny namoahan’ny Filankevi-pitsarana ny didy manafoana tanteraka ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany manendry delegasiona manokana (PDS) hitantana ny tanànan’i Manakara, nandritra ny fotoam-pitsarana ny alakamisy 18 martsa 2010, dia mbola miditra birao mandrak’ity ny anio ary manao sonia taratasim-panjakana i Sileny Herimanitra Alban, filohan’ny delegasiona manokan’ny Koaminina. Sanganehana ny mponina manoloana izany. Aiza no haleha ? Iza no henoina ? Ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka, Andriano Giscard, sa ny PDS Sileny Alban, toa mitazam-potsiny ny fanjakana ? Ny sonian’iza no manankery ?
Sahiran-tsaina hatramin’ireo mpisora-panambadiana. Ny 15 desambra 2009 tsiahivina ihany no efa namoaka didy laharana faha-160 ny Filankevi-pitsarana mampihatona ny fampiharana io didim-pitondrana manendry ny delegasiona manokana io, ary mbola nohamafisiny nandritra ny raharaham-pitsarana ny alakamisy 14 janoary 2010 raha nangata-panazavana mikasika ny andininy faharoa tamin’io didy fampiatoana laharana faha-160 io ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Manakara, Andriano Gsicard. Andininy izay milaza fa «mihantona ny fampiharana ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 manendry delegasiona manokana ahitana an’i Sileny Herimanitra Alban (filoha), Benja Andriatsizehena Parfait (lefitra voalohany) ary i Maharetasoa Gabriel (lefitra faharoa) hitondra ny tanànan’i Manakara». Nohamafisin’ny Filankevi-panjakana ny didy. Vokany, tsy manankery fa foana toy ny tsy misy avokoa na ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany na ny didim-pitondrana laharana faha-41/09/REG/VAT-FIT/CR navoakan’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny 21 desambra 2009 mampihantona vonjimaka amin’ny asany ireo mpikambana rehetra ao amin’ny birao mpanatanteraky ny Kaominina Manakara sy ny Delegasiona manokana. Io didy fandravana navoakan’ny Filankevi-panjakana io ny alakamisy 18 martsa io no mamerina amin’ny toerany an’i Andriano Giscard hanao ankalalahana ny asa maha Ben’ny tanàna azy. Ny mahagaga anefa dia tsy nahazo ny dika mitovy io didy io, avy amin’ny ambaratongam-panjakana ny PDS ka dia mbola manohy miditra birao na dia efa resy teo anoloan’ny Fitsarana aza ny Fanjakana nanendry azy ho amin’izany toerana izany. Amin’ity herinandro ity moa no re fa tokony haharay ny taratasy fampahafantarana azy ny PDS fa tsy manna-kery ny fanendrena delegasiona manokana ao Manakara, nataon’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany. Aorian’izay koa izany vao hiverina amin’ny laoniny ny fitantanana ao Manakara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.