Vao maraina, omaly, dia tonga teny Ankorondrano ireo iraky ny Antenimieranny Varotra sy ny Indostria Antananarivo, niaraka taminireo mpitandro ny filaminana nanidy ny Magro etsy Ankorondrano.
Araka ny didim-pitsarana nivoaka ny 10 martsa teo, dia voaroaka etsy amin’ity kianja Ankorondrano ity ny Magro izay ao anatin’ny vondron’orinasa Tiko. Araka izany dia tsy azo hidirana intsony ny ‘kianjan’ny ara-dalàna’. Tsy nanara-dalàna ny fombafomba natao, araka ny fanazavan’ny mpisolovava ny vondron’orinasa Tiko. Raha ny tokony ho izy dia nampahafantarina ny roa tonta ny fanidina ity toerana ity. Araka ny fantatra moa dia nampakatra fitsarana ambony narahina fampiatoana ny fampiharana didy ny Tiko. Raha ny lalàna manankery dia sady tsy tokony hisy didim-pitsarana nivoaka no mbola mihantona ny fampiharana izany, saingy nanao amboletra ny mpitory nanidy ny toerana. Fanaparam-pahefana no nandikan’ny fiarovana ity tranga ity. Amin’ny ankapobeny, tsy dia mahataitra intsony izao. Efa tsinjo mantsy fa tsy maintsy niafara tamin’ny fanakatonana ity kianja ity ny raharaha noho ny antsojay atao ireo mpanohana ny ara-dalàna. Zary nivadika raharaha politika ny fifandirana teo amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Tiko. Efa ambetin-tenin’ireo mpitondra ao amin’ny FAT hatrizay rahateo ny tokony handrarana ny hetsika hataon’ireo ankolafy telo. Hatreto izany dia mety hanahirana ny hahitan’ireo “zanak’i Dada” kianja hanehoan-kevitra satria nogiazana ny Magro, ny kianjan’Ambohijatovo koa tsy azo hidirana, ny eny amin’ny 13 mey moa dia ambenana miaramila isan’andro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.